Resahiko zavatra ianao!

NATAOKO NAJIFA....!

kally | 18 Aogositra, 2006 03:58

Tsy maintsy hoe atomboko amin'ny resa-bola hany ity resaka ity!
Tadidiko tsara fa i Neny no olona nitakiako vola voalohany. Mahita hanirahana ahy foana mantsy izy : haka fandraofam-pako e, hamafa sotro, hijery any an-dakozia raha mangotraka ny vary , mandroaka ny akoho manilika ny voninkazony, hanondraka voninkazo miaraka amiy ets..mahita hanirahana ahy foana izy raha mbola andro koa ny andro.
Hitanao amin'izany fa na dia vao zara raha nahay nanoratra aza aho dia be ny asa nanirahana ahy, tapaka ny hevitro fa hangataka karama aho fa toa efa ho lava ity iraka ity ,
Nohararaotiko nolazaina an'i Neny ny faniriako hahazo karama nony nirahiny haka cendrier aho,dia fanazavana lava be moa no navaliny ny fangatahako,  fa ny hany tadidiko dia ny hoe tsy azo atao izany mitaky karama amin'ny ray aman-dreny izany. Asa mampaninona angaha fa tsy dia nasiako adihevitra betsaka loatra fa nanaiky aho ny hanao raharaha tsy misy karama sady Neny koa tiako ka sao marary izy raha manao raharaha irery , dia nilefitra aho na dia betsaka aza ny nilàko vola. Ie! tena nila vola tokoa aho fony kely  ary mba nanana fidiram-bola ihany, ka izao avy ny fidiram-bolako tamin'izany :
 - Ny voalohany , vola azoko rehefa sokirina parasy .
Nidiran'ny parasy lafrika matetika mihitsy aho tamin'izany fa lava tongotra tany an-tokotanin-dry Razôzy mpiompy kisoa; ka raha mahavita miaritra tsara tsy mitomany sy tsy mikofokofoka rehefa esorina ilay parasy dia omen'i neny vola hividianana voanjo.
Mitsilay tsara eo am-pandriana, dia atao eo am-pofoan'i Neny ny tongotra,dia dorany kely ny loha-paingotra dia hoy izy hoe miaritra kely dia tsy mihetsiketsika an!  Akimpiko tsara ny masoko ka na marary be aza tsy mihetsika mihitsy aho,dia vetivety ihany dia voasikotra tao ilay izy.
Dia hoy i neny hoe hendry be ny zanako fa mandehana mividy voanjo .Faly ery aho tamin'izany ka satriko ho sokirina parasy foana ka na dia efa noraràna aza aho tsy hilalao any an-tokotanin-dRazôzy  intsony dia tsaroako ilay voanjo avy sokirina parasy dia any ihany aho manao fanahy iniana milalao, kanjo moa kapoka be ny niafaran'izay resaka izay.
- Ny faharoa, ny vola omen'ny vahiny  : rehefa misy vahiny tonga mamangy anay dia omeny vola aho rehefa handeha izy : ity zaraina ho anareo hoy izy dia faly ery ka miandry tsara ho lasa ny vahiny dia lasa miridana mamonjy mpivarotra.
- Fahatelo : ny goûter andavan'andro : io moa marain-tsy hariva tsy maintsy mahazo fa notapahina tanteraka  nony afaka cepe aho, tsy nahazo intsony f'izay no farany.
- Fahaefatra : ny rakitra any am-piangonana.Ialàko tsiny raha nihevitra ahy ho anjely kely ianao. Ary izay tsy nanodinkodina rakitra no aoka hitora-bato...
 Anombinako foana ny rakitra raha omena ariary folo aho ny ariary ihany no alatsako ho rakitra fa ny ariary sivy voahodiko, izany ihany no tsy ilatsahako ho mpanao pôlitika sao sanatria manodikondina any.
Nony lehibebe kely koa aho dia najanoko io satria mpianatry Masera aho ka tsy maintsy nikaonfesy isaky ny lamesa Zoma maraina,ary nampanantena ny tsy hamerina intsony ka tsy nasiako nenina ny nanajanonana azy,.Nony vita ny kaonfesiko dia vavaka fanenenana tamin'ny ratsy rehetra nataoko, narahiko arahaba ry Maria 10 sy Rainay any an-danitra ary voninahitra no nanaovako veloma an'io fanodinkodinana rakitra io fa narotsako tanteraka daholo izay natokana ho amin'ny rakitra nanomboka teo ka hatrizao.
Ary ny fahadimy farany dia ny vola omena rehefa mandeha vakansy.
Dia gaga ianao hoe fa mba ataoko inona ary vola, atao inona fa tsy ho laniana e? Arakaraky ny habetsany no andaniako azy.
Mba niezaka nanangona tanaty boatin-dronono nestle ihany aho fa dia maty sikotra isan-teteky ilay vatan-drakitra, naharitra aho raha herinandro tsy nikirakira vatan-drakitra sady efa voaisako mialoha foana ny ao anatiny.
Ny tena tiako sy mampanonofy ahy dia ny mandeha mividy mokonazy milona :ramatoa teo akaikin'ny tranonay ihany no mpivarotra azy io .
Manao haody im-be dia be ianao vao tonga izy rehefa mividy zavatra ao aminy .Manam-potoana tsara handinihina an'ireo mokonazy amin'izany.Mahafinaritra be ny mijery an'ilay izy boribory tsara difotra ao anaty ranon-tsiramamy ao anaty bocal na vilia baolina duralex misarona ,dia misy tantely misamonomonona manidintsidina eo mba te-hanandrana koa, izaho mitelin-drora mitily izay ho fidiako, efa tiliako mialoha sady arahiko maso sao asiany an'ilay mikaperotra be na ilay manta be ireny ,ataony anaty kaorinera taratasy ilay izy dia isainy tsara, tezitra ery aho rehefa tsy izay tondroiko ny ataony ao dia tsy mety handoa vola aho, dia sady ataony ao ilay notondroiko no lazainy fa zaza tsy azo atao inon'inona hono aho.
Dia mipetraka eo ambony lalamby aho mihinana azy avy eo, trohiko avy aty ambany aloha ilay ranony mamy be dia avy eo tsindrohiko tsirairay amin'izay ilay mokonazy, indraindray voateliko tsy nahy ilay voany dia matahotra aho hoe haniry any an-kiboko any iny izao. Amin'ny lafiny iray toa tiako ihany izany hoe maniry eo ilay mokonazy dia sady mitango ihany aho ka eo amin'ny kiboko eo, nefa hitangoronan'ny ankizy aho rehefa tonga any am-pianarana raha maniry eo tokoa iny, dia mivavaka mafy aho mba tsy haniry ilay voany voateliko tsy nahy teo.Hoy ny fivavako amin'izany hoe: raha tena misy marina ianao Andriamanitra dia aza ampaniriana any iny voan'ny mokonazy iny.
 Tsy dia mifanaraka loatra izahay sy io mpivarotra io fa indraindray ataony tsy ampy isa ny mokonaziko , ohatryny lafo loatra ny fahitako azy ka dia miova hevitra aho hoy aho hoe lafo kely izy izany ramatoa fa aleo voamadilo ny ahy kah! sady tezitra be izy no soloiny voamadilo. Taty aoriana moa noteneniny aho fa tsy hanao intsony hono izy raha tsy mandoa vola aloha aho, dia samy nidrikina izay fa izaho tsy handoa vola raha tsy hitako izay ataony ao.Nanaiky ihany moa izy  sady ningonongonona be !
Tsy dia tian'i Neny loatra aho mihinana voamadilo ka dia voatery miafina foana aho mihinana azy, raha eo akaikiny eo aho no mihinana azy mantsy dia hoy izy aleha ary an'efitra ary mihinana an'iny fa mankadilo ahy ny mijery anao, efa teneniko tsy hividy an'ireny mbola ireny ihany.Tsy te hampadilo azy aho sady tsy te ho voatsongo sofina moa dia miafina mihinana an'ilay voamadilo ka ny voany sisa no kikisako amin'ny nify rehefa mody aho. Kikisana tsara ao anaty nify ao ilay izy da miala ilay fonony manjamanja mangidy maisatra be iny dia mbola misy voany fotsifotsy tavela ao, ela be anefa vao voakiky ilay izy.Satria mbola tohizako eo ambony latabatra madra-pandroson'i Neny vary ny fikikisako azy. Voatsongo sofina be aho hoe mbola mikiky an'iny indray moa? Tandremo tsy mahalany vary hoy izy.
Fa laingalainga fa manahirana be tokoa ny mihinam-bary avy eo azony madilo be ny nify moa ny lela maisatra be.Lahoana mihitsy aho vao laniko ny anjara variko, miezaka mafy aho satria voarahona hoe : aza mihinam-bary tsara fa ho ohatry ny vim-bà sisa io ranjon-dry io.
Fa tohiziko ilay resa-bola e!
Rehefa mihidy ny mpivarotra mokonazy na lafo loatra ny mokonazy sy voamadilo dia bômbô saina  na bômbô fanoto (mavokely lavalava misy tsipika fotsifotsy ) sy bômbô madinika no fividiko : ilay mandoko lela ireny no tena itiavako azy : maitso na mena ery ny lela rehefa avy mihinana azy.
Indraindray moa rehefa mahazo vola bebe dia maromaro no vidiako ary atao mitovy ny lokony toa dimy ariary izy tamin'izany ka ny ariary folo ividianako azy daholo, dia tsy mety mandray aho raha vao asiana fotsy na maitso , fa mena ihany no tiako, dia mangataka tavoahangy plastika ao an-dakozia aho dia alatsako aho ilay bômbô madinika dia tapohiko rano dia ahotsakotsako tsara, dia miova ho rano mavokely ny ranoko dia lasa ifampizaranay mpiara-milalao.
Be dia be ny zavatra azoko novidiana te amin'ny manodidina teo hany ka rehefa omena vola hividianana goûter any am-pianarana aho dia eny an-dalana alohan'ny hahatongavana any am-pianarana ihany dia efa najifa ny vola. 
Ary ny nahagaga dia tsy tia zavatra mifono mihitsy aho tamin'izany fa ity taitain-kanina eny an-tsisin-dalana rehetra ity no tena tiako.Efa bedy foana  sy voarara aho tsy hividy zavatra tsy misy dikany fa e!e!e ! adinoko ny fifanekena sy ny fifanarahana rehefa mahatazana mpivaro-mangahazo an-tsisin-dalana na mpivaro-mokonazy ny masoko.Ary tena lazaiko marina aminao fa tsy fanahy iniako ny nanadino ny fifanarahana an!
Koba katsaka, voanjo amin'ny toko, voamadilo milona na mifono tranon-tsigara, klarinety,...izany no nahafongana ny tahiriko tamin'izany andro izany!!!
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb