Resahiko zavatra ianao!

Saviky ny omaly.

kally | 31 Desambra, 2006 01:03

Manomboka mitsoka ny rivo-mangatsiaka mampatsiahy fa tapitra ny andro tsara ho an'izay mbola varimbariana mifety sy maka rivotra. Teo am-pandiovana ireo tavim-boninkazo nilaozan'ny felana nanaingo azy aho no injay reko ny kiririoky ny antso an-tariby.
Napetrako haingana ireo tavim-boninkazo dia niditra nanasa tanana mailaka aho sady nandray ny antso:
- Kally?
- Eny hoy aho, iza no miresaka amiko azafady? Fa toa tsy nahazatra ahy ilay feo sady toa olona miteny anglisy.
- Andrew ihany ity hoy izy, tadidinao ve?
- Andy? hoy aho somary nangovitra tampoka teo, sady taitra ela be izany, tsy nanantena hahazo antso na vaovao avy aminao intsony aho!Hitako fa namoaka raki-kira vaovao ianao!
- Hay tsikaritrao ny fivoahan'ny raki-kirako, ka tianao sa ahoana? Ianao no nanaovako an'iny.
Sadaikatra aho, tsaroako nafana be tany anatiko tany.
- Mmmmisaotra anao! ..tsy hitako loatra izay ho lazaina, tokony nisaotra aho sa tokony ho zavatra hafa no nolazaiko?Asa!
- Niantso anao aho hoy izy fa handeha hiverina any Madagasikara aho ato ho ato, mety hihaona ve isika?
- Tampoka be loatra izany ry Andy hoy aho, tsy hitako izay lazaina anao, haharitra ela any ianao?
- Voatendry hanao fikarohana any aho hoy izy, tiako loatra ianao sy ny firenenao ka niteraka nofy mamy tao anatiko, nofy izay inoako fa tratrako ankehitriny.
Niverina tao an-tsaiko ireo fotoana rehetra nahalalako an'i Andy, Andy...tovolahy tsotra , ranjanana sady tsara bika, maitso ny masony, mavo malefaka ny volony, be tsikitsiky lava izay izy, tia mozika tsy nisy ohatr'izany, ary efa namoaka raki-kira vitsivitsy izy, izay tsy ho lazaiko anao eto. Andy!!! nidoboka ny foko.
Tao am-piasàna no nihaonanay voalohany , mifanerasera amin'ny vahiny maro moa ny asako tamin'izany ka efa nahazatra ahy loatra na ny maso mitsopelapelatra, na ny orona miavonavona, na ny vahiny sariadriaka.
Isan'ny nametraka dosie ho karakaraiko i Andy . Avy dia niresaka sy nisariaka be tamiko izy, ary noho ny taratasiny naharitraritra vao vita dia nivezivezy matetika tany amin'ny birao izy.
Na dia efa vita aza ny taratasiny dia nazoto nitsidika sy nanasa ahy hiara-hijery rindran-dihy sy fampisehoana tao amin'ny CCAC i Andy saingy nolaviko foana ny fanasany, fantatro raha vao niantefa tamiko ny masony fa misy manintona azy ety amiko. Izaho kosa na nahafinaritra ahy aza izy, nataoko nilentika mafy tao an-tsaiko fa tsy ny vahiny izay mandalo no hametrahako ny foko.
Isaky ny mandalo eto Antananarivo izy dia mivily ao amiko, manasa ahy hiara-hijery fety aminy, ka lasa mpinamanamana tsy satry izahay sy izy saingy nolaviko foana ny hiresaka taminy maharitra loatra. Ary tsy nety nihaona taminy ankoatry ny tato amin'ny birao aho.
 Indraindray raha sendra taraiky aho vao tonga any amin'ny birao ny maraina dia efa io izy itangoronan'ny ankizy kelin-dalambe, ny ankizy kely mampianatra azy teny gasy, izy mampianatra ny ankizy teny anglisy.
Indray maraina gaga aho fa na dia tonga alohaloha tsy toy ny mahazatra aza aho dia io izy efa tazako eo, tarafin'ny andro vao maraina mijoro eo afovoan'ny ankizy lahy kely maromaro.
- Efa ela angaha ianao no teo hoy aho?
- Tamin'ny fito io vazaha io dia efa niandry anao teo foana ry Madama hoy ny fitsatsaingoky ny iray tamin'ireo zazalahy kely niresaka taminy. Madama ela be vao tonga nefa ilay olona mba sasa-miandry hoy ihany ilay zazalahy kely.
Nihomehy aho satria amin'ny sivy aho vao mamoha birao matetika.
Tamin'io fotoana io dia tsy nisy tsy nahalala azy tokoa ny ankizy kely teny an-dalambe, ary rehefa izy no nandalo dia "mpinamana" zareo : tsy nisy fangatahana na ny hoe omeo aho fa dia miresaka sy miara-mitokàkakaka eo zareo. Asa tsy latsaky ny enina ny andian'ankizy nanaraka azy tamin'izany.Rehefa hiditra ny biraoko izy dia nanao veloma azy ny ankizy " Good bye an!" hoy ireo ankizy mantsy azy, izy kosa namaly "veloum' " tamin'ny feony migobona sy mafana.
-Tonga hanasa anao farany aho hoy izy fa handeha aho, hiaraka hisakafo amiko ianao? Hoy izy.
Tsaroako ho nanindrona kely ahy ny foko naheno azy hoe handeha, nanaiky ny fanasàny aho.
Faly be izy, nanomboka nandihindihy sy nihirahira eraky ny biraoko  , faly be aho fa azafady hoy izy. Nojereny ny famataranandrony , afaka adin'ny fito dia hiara-hisakafo isika, tsy andriko ery hoy ihany izy nandihindihy.
Variana aho nijery azy sady nihomehy anakampo. Somary sadaikatra ihany aho fa tsy tiako ho fantatry ny mpiara-miasa amiko loatra izay fifandraisanay. Tsikariny angamba izany ka hoy izy nanongo ny tarehiko hoe :
- Avelako hiasa ianao fa sao tara rahariva, natolony ny tanany, nobanjininy aho sady nitsiky izy, misaotra nanaiky ny fanasako hoy izy fa tsy ho takatry ny sainao ny hafaliana omenao ahy.
Ny atoandron'io dia niverina izy niaraka tamin'ny gitarany, teo am-pisakafoanana tao am-piasana aho no nanaovany hira anankiray nianarany tany amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara, dia variana aho fa dia hainy ery ny niteny gasy amin-kira. Tsaroako ho tsara ery izay hira izay, izy koa moa tsara feo be rahateo.
Tsy dia nahatelin-kanina aho io atoandro niverenany io tsikariny io ka hoy izy tamin'ny teny gasy miambatrambatra :
- Kally, mosary anao, mihinàna.
Nihomehy aho fa mahafinaritra ahy loatra ny mihaino azy mibadabada miteny gasy ka afangarony daholo izay teny hainy tany amin'izay toerana nandalovany.
Somary sadaikatra ihany aho nony teo izy satria tsy dia tiako loatra ny miresaka amin'olona ankoatry ny asa ato amin'ny biraoko ka na dia nahafinaritra ahy aza ny famangiany ahy dia mody nisarika antontan-taratasy tao anaty biraoko aho sady nolazaiko izy fa tonga ny ora fiasàko fa rahariva mihaona.
Tsy andriko hoy izy ny hahita anao, nikopakopa-tanana ahy izy sady namonjy ny varavarana.
Izaho koa namaly ny kopaka nataony sady nitsiky. Dia revo niasa aho, toa tsy nisy fotoana nieritreretako izay mety ho fandehan'ny fihaonanay rahariva akory fa be loatra ny asako, ka tsy hitahitako akory dia hariva ny andro.
Nampirina ny antontan-taratasy farany aho, nopihiko ny ordinatera dia lasa nivoaka aho.
Teo anoloan'ny paositra ny fotoananay, io izy efa tazako eo, sambany mba izy irery no teo fa nankaiza ary ny ankizy kely mpanaraka azy?
- Vao hitany aho dia notsenainy nobataina. Menatra be saiky tsy hitako izay hasiako ny tenako, namboariko haingana ny akanjoko somary niforiporitra teo, dia namboariny ny voloko, dia lasa izahay namonjy toeram-piasakafoanana.
Dia nisakafo izahay, samy tsy dia nisy nahateny, izaho difotra lalina anaty eritreritro satria na dia ninia tsy nahita aza ny saiko, na dia ninia nakatoko ny foko dia fantatro fa babo ihany aho, babo amin'olo-mandalo? Tsy tsaroako akory izay sakafo nofidiako iny hariva iny, nony avy nisakafo izahay dia hita fa samy mbola nalaina ny hody, lasa izahay niditra trano fisotroan-dite, nikaomandy dite izy dia samy nisotro teo izahay sy izy, hita anefa fa tsy mifantoka amin'izay dite akory ny sainay.
Ny teniny no nogohiko, variana aho mihaino azy mitantara ny diany teto Madagasikara : ny takariva niarahany tamin'ny namany mpiara-mihira aminy isan-kariva tany Morondava, ny tantaran'i Mahia mpanjono mpampianatra azy mihira, ny alahelony nilaozan'i Mahia izay nindaosin'ny rivo-doza teny am-panjonoana . Babo ny foko nahita ny masony maitso nanganohano teo am-pitantarana, nanganohano koa aho, dia nifampijery izahay dia mody samy miara-nihomehy. Dia samy nihodina namafa mangina ny ranomasony avy.
Notantarainy ahy ny hatsara fanahin'ny reniny, ny dadany, ny zokiny, sy ny fianakaviany rehetra any Canada, ny anabaviny izay nifindra any Australie...ny hatsaran'ny fararano sy ny hazo miova loko any amin-dry zareo.Notantarainy ahy ny fahazazàny.Dia nogohiko ny teniny, toy ny nisy andriamby nandraikitra ny masoko ny masony...dia niresaka sy nifampitantara teo izahay, tsy tsaroako izay resako taminy fa ny tantarany no naharevo ahy mafy.
Ilay mpandroso dite tonga nangorona ny kaopy izay zara raha nokasihinay no nanapaka ny fifanintonanay, hay efa amin'ny 12 alina, nanao veloma ireo mpivarotra izahay dia lasa. Sady nihomehy fa tsy nahatsiaro ny andro alina, "adaladala isika" hoy izy niteny gasy mazava, dia samy nihomehy indray.
Sendra mpivaro-boninkazo tratr'alina teo Antaninarenina izahay , novidiany daholo ilay raozy rehetra teo amin'ilay mpivarotra dia natolony ahy, difotra tao anaty raozy aho, nikakakaka izahay, nifampizaranay ilay voninkazo fa be loatra dia samy toran'ny hehy izahay.
Noraisiny ny tanako dia notantanany nidina mora nandeha tongotra aho, efa vitsy olona ny arabe, nobanjininy aho, nobanjiniko izy, horakoraky ny tovolahy tanaty kamiao niridana tsy nisy labasy no nampihomehy anay sady nanapaka ny fifampibanjinanay. Dia lasa indray izahay nandeha tongotra.
- Hateriko ianao, hoy izy, handeha tongotra isika mandra-pahatonga any aminao.
- Andao ary hoy aho tsy rototra.
- Kally, hoy izy sady notazoniny indray aho hijanona, tsy ny hanadala anao no nalehako taty Madagasikara, tsy hitady vehivavy ho tiavina no nalehako taty, nefa dia vao nahita anao aho dia babo. Tsy fantatro anefa mety manambady ianao io, mety misy miaraka aminao, nefa tena babo aho, mamelà ahy hoy izy.
- Nitsiky aho, inona moa no havaliko azy eo? Noraisiko ny tanany dia nosintoniko izy handeha.
- Manambady ve ianao sa manana olon-tiana?
- Ho inonao anefa izany ry Andy? Hampiova inona eo amintsika sy ianao izany? Ianao anie handeha rahampitso e!
- Kally, andao hiaraka amiko ho any Canada, ho faly be ny mamako raha mahita anao.
- Aza miteniteny foana hoy aho.
Dia nitohy nandeha an-tongotra ihany izahay. Nony elaela anefa dia nanapa-kevitra ny hanakana fiara karetsaka izahay fa hadalàna ny handeha tongotra mandritry ny alina.
Nony tao anaty fiara karetsaka dia noraisiny moramora ny tanako, norohiny aho.
Nitsopelatra tany aminay ny mason'ilay mpitondra fiara karetsaka, dia samy toran'ny hehy izahay.
Dia hoy izy mantsy ahy : -Toy ny fitsopelatry ny mason'ilay mpitondra fiara io ry Kally ny fitsopelatry ny foko nahita anao.
Dia samy nihomehy indray izahay sy izy , izany angamba no atao hoe mamo tsy nisotro, mamon'ny fitiavana !?
Nony nanakaiky ny trano dia samy nidina izahay.
- Eto aho avela hoy aho.
- Manaja anao loatra aho ka tsy hanontany anao akory izay misy ny tranonao, tafandria mandry ry tiako.
- Tafandria mandry Andy. Nofihininy mafy aho dia nifanoroka maharitra izahay.
Dia nateriko teny amin'ilay fiarakaretsaka niandry teo indray izy, dia niverina nanatitra ahy indray.
Farany nolazaiko izy fa hilaozan'ilay mpitondra fiara karetsaka eo ka handeha tongotra ho any Ivato eo! Dia hoy izy handeha tongotra tsy misy an'i Kally tsy tsara .Sa hiaraka hody amiko ianao ?
-Adaladala ianao, hoy aho , dia niara-nihomehy indray izahay.
-Veloma hoy izy, vao manomboka ny nofiko na handeha rahampitso aza aho, tsy hanadino anao aho, ho avy any Canada ve ianao?
- Veloma i Andy, hoy aho natahotra ny ho babo tanteraka ka ninia nisintona ny tanako.
Dia lasa izy sady nikopa-tanana ahy tanaty maizimaizina.
Andy, toy ny vao omaly!!! firy taona tokoa izay no dila? Efatra? Dimy? Toy ny vao omaly
Hatramin'iny antso nifanaovanay iny dia valalanina ny foko, nimpongatra daholo ny fahatsiarovana rehetra....
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb