Avia vetivety ange ianao raha tsy dia maika loatra e! mba hiaraka hamadibadika kely tsiahy eto isika sy ianao. Hampatsiahy anao zavatra io, dia asa mety hitsiky koa angamba ianao? Dia mety hiteny koa ianao hoe : " Izahay koa ohatr'izany...". Andao ianao ho entiko any an-tranonay vetivety ary fa misy fampisehoana halehantsika any.Alaivo sary an-tsaina ny hira fa omeko anao an-teny ny sary sy ny tonony, dia anjaranao ny mandrindra azy.
Mandrosoa fa aza matahotra fa tsy maninona izany ny alikanay, tsy manaikitra izany io ho'a fa avia fa alika marary nify ange io e!Avia fa izao ry dadanay sy neninay no tsy ao dia afaka milalao tsara ao an'efitranony isika.
Ato no efitr'i dada sy neninay, vetivety fotsiny isika no ho ato fa bedy be aho raha vao fantany hoe nisy olona niditra tato. Ny harivariva sasany tamin'ny fahazazanay no ho hitanao ato. Mantsy rehefa avy ny orana na rehefa avela irery ao an-trano izahay ny harivariva iny fa mba lasa nihodina any amin'ny" ville" hono i dada sy neny dia sorisorena eo dia mamorona fety izahay sy zandrinay.
Ny efitry ry neninay moa arak'izao hitanao izao dia misy fandriana misy rideau izay , dia avy eo misy lalimoara misy fitaratra ka tena ao amin'ilay ilànay sy ilay zandriko azy mihitsy.Efa nasehoko anao ao amin'ny sary serasera ao io zandriko io fa be ny mampifangaro anay roa sy manontany raha kambana izahay. Mifankatia be izahay roa ireo fa loza koa raha hiady, vao mifampijery ny maso dia miady hoy ny olona, nefa raha hifanara-tsaina koa tsy misy ohatr'anay roa vavy. Fa resaka hafa izany !
Arak'izany toetranay izany ary dia manomboka amin'ny gidragidra foana ny zavatra rehetra ataonay roa, ity fetifety hataonay ity dia hanomboka amin'ny gidragidra, nefa nifanaraka tsara ery teo nanapa-kevitra ny hanao spektakona spektakona ( satria misy spect takonan'ilay eo aloha no mahatonga an'io teny io)
Gidraka eo am-pifidianana micro : raha mbola variana manamboamboatra rideau sy mandamindamina aho dia efa mailaka be ilay zandriko maka an'ilay afo de paosy (lampe de poche) any amin'ny fitoerany any sady miantsoantso hoe ny ahy afo de paosy fa ny andry kifafa borosy. Tezitra be aho fa mba tiako mihitsy ireny micro sans fil ireny (tamin'izany mbola tsy hitanay ilay ahodina aty amin'ny sofina e!) nefa lasany ny afo de paosy, montotra be aho fa haninona moa ka lasa te-hihanahana eo! Dia sady maka an'ilay kifafa borosy no manao hoe izaho ange tsy hanao hiran'i Johnny e! Mandalo fotsiny ihany anefa ny hatezerana satria tonga ny fotoana fiakanjoana.
Dia mifidy ny akanjo sy ny haingo indray, ity indray fotoana mahafinaritra mampifanara-tsaina : ny akanjo moa tsy soloina fa tenenina am-bava fotsiny hoe ny ahy izany akanjo lava be mamirapiratra be ny anaovako dia misy an'izao sy izao e! dia ny lohako hono izany nasiana foulard mangirangirana be an! dia indry hono izany lava volo be mihitsy an! dia samy tsara tarehy be hono izany isika roa vavy. Izy moa izao ohatra an'i Dalida izao no tena tiany ery, ny ah indray rehefa tenenina aho hoe mamirapiratra be ny akanjoko dia efa faly aho.Dia vita iny ny fiomanana.Dia samy mitsiky fa afa-po tamin'ny fiomanana ary sady samy mahita hoe samy tsara be daholo ny paozinay roa vavy.Paozy kilaidainga io fa tsy misy akanjo nosoloina sy volo lava izany eo, ny mamirapiratra an-tsaina ihany, nefa dia hitanay roa vavy.
Dia avy indray izy hamelona gidraka, ny anaran'ilay fandaharana inona?: ny ahy Champs Elysée fa ny andry Pop in Germany ( asa raha tadidinao fa fandaharana misy hirahira taminn'y télé tamin'izany ireo, mba tianay roa ery), manirikiry ahy mantsy ity zandrinay ity kah, tezitra aho sady nianjona : - Indry kosa fetsy be ,hoy aho mody alain-dry daholo ny tsara fa na indry mihira amin'ny afo de paosy dia Pop in Germany ny andry na indry maka kifafa borosy dia Champs Elysée ny andry. Dia manaiky moa izy fa aleony hono ho azy ihany ny afo de paosy dia Pop in Germany moa ny ahy Champs Elysée , atahorany mantsy fa sao dia tsy hitehaka aho na hangataka bis rehefa anjarany ny mihira.
Dia raikitra ny fampisehoana : izaho aloha no mpijery voalohany , dia mivoaka avy any ambony fandriana any ilay mpihira, sokafiny ilay rideau, dia midina moramora avy any ambony fandriana any izy sady mihira no mandeha mandra-pahatongany ery amin'ny fitaratra.Dia mifandimby miditra an-tsehatra sy mandihindihy eo anoloan'ny fitaratra eo izahay roa vavy, dia rehefa vita dia asiana tehaka mirefodrefotra na bis, indraindray rehefa tsy tiako ny hira ataony dia asaiko averiny ny vola, dia ovainy haingana ilay hira na efa lazainy mialoha fa io hira io no hataony fa asiany ballet miaraka aminy.Mandeha eo daholo ny : point de vue de face Babylon (tsy izany angaha moa ny tonon'iny hiran'i Boney M iny?) na oay lelikamaty e! Bononosy ( Boney M) koa io , isan'ny tianay koa ny hiran'i Henri Ratsimbazafy tamin'izany, hirainay amin'izay tonony sy fihetsika itiavanay azy eo daholo na hira teny gasy na teny vahiny : ny En rouge et noir lalalala an'i Jeanne Mas, na koa ny Ho aiza e! ho aiza e! Ilay mahantra izay tsy mba faly amin'ny fiainana...dia eo mandra- pahaleo, leo rehefa manomboka tsy mitehaka intsony ny mpijery, sady efa manomboka mifampikizintinjitina fa misy mibahan-tsehatra be ilaozany mijery bika amin'ny fitaratra fotsiny.
Sady andao amin'izay isika hivoaka fa sao tonga eo ry dada sy neny ka ataony mirehitra eto isika.Sa ianao mbola te-hijery? Andao hifindra toerana ary e!
Andao indray ianao ho entiko miaraka amin'ny namako any ambanivohitra any amin-dry bebe.
Hira gasy hira gasy any amin-dry bebe indray ity, lasa alainay ny akanjon'i bebe fa mila akanjo mirebareba tsara, izy moa tsy dia sarotiny, dia hosorana tany ravo ny tarehy fa mba manao pôdra hono izany, ny rantsan-tanana moa efa nofenoina ranomainty menamena na maitso ho solon'ny vernis, lisaka mihitsy ny stylos anaovanay azy ,efa ho 10 mianadahy kely izahay no miaraka milalao eo, ny lehilahy mpidoboka amponga sy langoraona ary mpikabary, ny vehivavy mpihira. Anisan'izany hira ny Fantsika bilan'ilay mpandrafitra (tsy fantatrao izany hira izany fa ampianariko anao rehefa anona), dia misy hoe koa :
afera vitan'ny anamamy ho'a afera vitan'ny anamamy,
dia milamina fotsiny isika,
izany hono no izy rey olona o!
tsy maintsy mandresy ny tolona.
Bedy rehefa mihira ny Afindrafindrao fa hafa be ny tonon'ilay anay ohatr'ohatry ny hoe :
tiralilalila lila
Zanak'i dada Paoly mitomany e!
Nitondra kapoaka kely ka na...
Azonao an-tsaina ny tohiny ka nahabedy anay foana, dia atao ihany moa na bedy aza ka tsy hihira Afindrafindrao izany dia inona fotsiny no maha fety azy?
Dia mitohy hafa koa ny hira sady raikitra ny dihy soroka sy ny vela-tanana sady mandihy amin'ny fo iray manontolo mihitsy an! sady tsy mahay no tsy menatra.
Dia ny zana-kira hoe:
Raha manina ahy ianareo e!
Dia ny masoandro jereo
Fa ny fiainana sompatra loatra
Raha toa tsy tafahaona
Dia manao rendez-vous any an-koatra...
Ankoatran'io hira gasy io dia misy ny fampitaha, fa io indray ifaninanana amin'ny ankizy avy any amin'ny tanàna na fokontany hafa, io fampitaha io dia hirahira mifangaro no ifaninanana ao dia miaraka amin'ny dihy sy ny haingo. Mafotaka mihitsy ny fitondràna ny akanjo fitondra mivavaka mitsaitsaika amin'io : miera aloha hoe hilalao ary ananona, dia anontanian'ny olon-dehibe hoe iza avy ianareo no ho any? (lavidavitry ny tanàna mantsy io toerana io) dia izahay sy ry kala anona sy ry kala anona, mandehana ary dia tsy hariva be vao mody. Dia misasa haingana dia atao anaty harona selôfanina ilay akanjo fitondra fa bedy raha vao tratra dia miridana ohatry ny tsy teo.Lasa amin'izay ny karazana vakisôva sy ny dihy isan-karazany . Bedy foana izahay roa vavy rehefa miaraka amin'ny mpanao vakisaova nefa mba tena tianay ery dia miafina foana izahay miaraka amin-dry zareo ireto, jiolahimboto hono ireny nefa tsy hitako izay maha-jiolahimboto azy.
Atomboka amin'ny tehaka sy kabôsy fotsiny aloha : sady manao hoe "tehaka fotsiny aloha, tehaka fotsiny aloha" dia lasa amin'izay ny hira be dia be fa adinoko ny ankamaroany, fa ity no tsaroako fa nahabedy anay foana nefa mba isan'ny tiako ery :
ia!ia! ia! ô ô(2X)
Fatin'alika ao anaty dalle nama a!aa!
Nataon'ny zalahy laoka tamin'ny alina nama aaaa!
ia! ia! ia !ôôôô ie!
Fa ny loza dia rehefa misy olona be resaka mitantara any amin'i neny hoe hay ny zanak'i madama mahay mandihy be ery , nahazo voalohany any zareo tamin'ny saova sady tsara ery ilay akanjo nanaovany tany no sady tantarainy amin'ny antsipiriany eo ilay didiny , sahala amin'ireny hoe nisy nanontany azy ery teo . Sanganehana fotsiny neninay avy eo antsoiny izahay roa vavy : "F'angaha entinareo milalao sy manao fampitaha any ny akanjonareo?" Tsy efa nilazàko moa ianareo tsy hiaraka amin'ireny ankizy mpanao sôva sy firingan'olona rehetra ireny? priàaa, tehamaina be mirefotra no azo. F'angaha mety fay? Vao hoe misy saova ka misy hirika handehanana dia lasa foana izao!!! Izaho tamin'ny kely dia voasazy sy voakapoka lava mihitsy. Ho tantaraiko anao koa izay nefa tsy fanahy iniako akory ange nefa dia mafy loha sy be ditra hono aho tamin'izany.
Amin'ny maha-ankizy anay tamin'izany moa dia taomin'ny ankizy handeha hiandry faty aza izahay mba naniry ery fa tsy avelan-dry dada sy neny mihitsy, nefa toa nahafinaritra ery ny fahenoana ny fitantaran'ny ankizy azy avy any.
Fa tsy nanana sary ho'a tamin'ity indray mitoraka ity fa alaivo ara-keviny eo dia ho hitanao eo. Mbola ho resahiko zavatra hafa ianao fa andraso aoriana kely.