MIAKARA DAHOLO ANY ANATY FIARA O!
kally | 22 Jiona, 2006 17:06
Manomboka eto dia hanomboka ny fitetezam-paritra.Ka avia haingana ry Hery, ry Vale ...sy izay mazoto handeha rehetra : miakara haingana fa lasa indray izao!
Polson : Tanàna faharoa hatoriana : Inty eto misy farihy tsara tarehy be "The Flathead Lake" , - Flathead, raha tsy diso aho dia anarana foko Indianina amin'ity toerana ity io - raha vao nahita an'ity farihy tsara tarehy be ity dia tapaka ny hevitra fa hijanona eto aloha androany sady efa tolatolaka koa ny andro vao tonga teto fa nilaozana nikirimba tao Missoula.
Rehefa manapa-kevitra ny hijanona ohatr'izao moa dia mazava ho azy fa ny tany hatoriana aloha no tadiavina voalohany, Bayview Inn no akaiky sy nanamorona an'io farihy io, nisy an'ilay KwaTaqNuk koa tsy lavitra an'io fa izay hijanona indray alina ve dia handaniana vola be sady tsy ratsy ilay Bayview Inn satria ny efitra hisy antsika mifanolotra amin'ity farihy ity, eo am-baravarankely dia mahatazana ny farihy iray manontolo.
Hatreto ary dia rano, tendrombohitra, farihy, ala, mahafinaritra be foana no ho tetezintsika.Sarotra ihany ny mitantara ny hatsarany, ny tena marina kanjo tsy haiko ny mitantara azy sady izany ve moa ilaina ho tantaraina fa ianao aza miaraka amiko eto koa! ..Fa tena tsara, mahatsiaro ho tsinontsinona mihitsy ny olombelona manoloana ny hatsaran'ny zavaboaharin'Andriamanitra., hamakivaky ny Glacier National Park isika, dia hijery farihy, ala, tendrombohitra , biby dia (sa bibidia?) , impiry matory moa vao vita ny famakivakiana ny Glacier National Park? Iza no nandany andro nanisa an'izany fa ny saina aza efa feno sary, rehefa malalaka dia alahatra an'eritreritra ireo sary ireo dia zaraina ohatr'izao androany izao.Dia mba samy manana kely avy isika, sô ianao tsy tia?
Inona ny sakafo hariva? Izay tiantsika ihany : somary manavia ihany koa mantsy ny mandeha any amin'ny trano fisakafoanan-dry zareo noho ity Tip tip ity - vola amboniny omenao ny mpandroso sakafo io, ka ny manahirana dia tsy fantatro tsara loatra hoe ohatrinona marina moa no omena 10% sa 15%, sadaikadaikatra eo ny tena ka aleo ihany mihinana eny amin'ny sisiny sady angaha moa ratsy koa ny sakafo eny amin'ny sisiny ! Ilay eny amin'ny sisiny lazaiko eto mandeha any amin'ny supermarket dia feno sakafo any : na ny efa vita karakara toy ny karazana salady isan-karazany (tsy ravi-maitso ihany akory ny salady), na akoho nendasina , na hena masaka na izay tiana e! raha mazoto hampiasa microwave (satria saika misy daholo ny hotely rehetra aty) dia maka sakafo nampandriana (mba teny gasy mazava ve izany lehiretsy?)azonareo ny tiako ho lazaina an!
Inona anefa ny teo fa vao avy nividy sakafo sy nanala ny entana avy ao anaty fiara sy naka sary vitsivitsy dia ny torimasoko no natrehiko, izay tanàna ve nisy hitako akory. Saingy tsy nisy fatiantoka na izany aza, rahampitso manaraina.
Ny maraina aho vao mba nandinindinika ny manodidina teo: fahanginana, goavana be izay itodihana rehetra, fahatsaràna : izay no tsapa sy hita rehefa mipetrapetraka eo amorom-parihy eo. Nohanina haingana ny sakafo maraina avy eo dia nijery izay tany haleha manaraka indray fa haninona hijanona haninona ela eto moa? Handehandeha no aleha aty ka ilaozana hitogaigy eto ve?
Asa raha tsikaritrao fa isan'ny manaitra maha samy hafa ny amerikanina amin-dry zareo eropeanina : zareo tia miresaka sy mandray olona kokoa- ny faritry ny Rocky Mountains iny aloha no resahiko fa iny no hitako- efa midadasika be iny- vao maraina mifanena ao amin'ny hotely dia samy mifampitsikitsiky : "how are you guys" hoy ny fiarahaban-dry zareo.Zavatra tsy hitako mihitsy io any amin'ny hotely eropeanina fa samy maka ho azy sy mifampijerijery fotsiny, tahaky ny olona nivoaka avy any amin'ny planeta hafa no fijerin'ny ankamaroan'ny olona anao raha sendra miarahaba ianao, tsy hoe manaratsy ny eropeanina aho sanatria fa ny tiako lazaina hoe mangatsiatsiaka kokoa zareo eropeanina mihoatra amin-dry zareo amerikanina, tsy hatao faobe koa anefa na izany aza zavatra tena nanaitra ahy io.
Migodàna be ny lalana rehetra aty , mandritry ny 300-400 km indraindray isika irery no eny an-dalana eny , mahafinaritra be ny mijery ny camion be amerikanina, mangirana sy manjelatra mamirapiratra be sady matanjaka be, mitrerona be avy any aoriana any izy, tsara tarehy!!!
Ngeza be daholo izay zavatra rehetra jeren'ny maso : ny lanitra manga be sady ngeza be , ny tendrombohitra avo be, jereo ao amin'ny tahirin-tsary ao, ny farihy be dia be sady ngeza be , ny ala tsy hitan'avanavana, dia ohatr'izay koa ny anaty trano : fandriana ngeza be, seza ngeza be, ny fiarakodia ngeza be daholo, tahaky ny kilalao kely io fiara mavo be io mihoatra amin'ny fiara entin-dry zareo andavanandro.Fa zareo kosa ho'a somary hafahafa fitondra fiara ny ankamaroany tsy mitana lalana tsara SAINGY mahalala fomba be zareo eny an-dalana.
Ary ny tranon-dry zareo dia trano hazo daholo, lavitra ny building mijoalajoalan'i New York aty : ivaiva kely daholo ny trano tsy midika anefa izany hoe kely an!Saingy rehefa tafiditra ao anatiny ianao dia adinonao tanteraka hoe trano hazo anie ity trano ity.Tsy dia manao zaridaina loatra ry zareo fa asiany bozaka maitso fotsiny, dia mampihomehy ahy fa na zaridaina kely iny aza dia masinina be iray manontolo no manapaka ny bozaka eo.
Ary ny zavatra tsikaritro dia ny resaka fikarakarana vatana dia mangala - tahaka ny eropeanina zareo, rehefa te haneho izy fa tsara ny savoniny dia lazainy fa vita amin'ny fomba eropeanina.Dia mifangalangala-tahaka eo nefa milaza tsy mifankatia, tsy misy maharatsy an'izany kah! Mba tsetsatsetsa tsy aritra iny.
Dia avy eo Polson, dia hatory ao Whitefish, hamonjy ny vavahady miditra mankao Glacier National Park avy aty andrefana .
Rehefa ao Glacier Park dia hilalao rano eo Mac Donald Lake , mitsangatsangana any anaty ala any, tandremo mifanena amin'ny ours fa masiaka ireny ka ho sahirana any, hitsoaka hihazakazaka, izy mahery mandeha lavitra noho ianao, hiani-kazo hihomehezany fotsiny (asa raha mba tia mihomehy izy ireny ) fa izy aza kinga lavitra noho ianao. Ny hany atao hono raha mifanena aminy dia mitampify mivonkona kely arak'izay tratranao dia asa rangorangotiny sy avadibadiny eo angamba ianao, aza hitako anie izany, mba efa hitanao moa ny halavan'ny hohon'ny ours ?
Be biby be mifanena amintsika eny an-dalana eny : Ny mountain goat karazan'osy fotsy be io amin'ny sary io, tsara tarehy be, tsy izaho no naka an'io sary io , nybisons karazana omby dia kimonjomonjo lava izay zareo raha jerena asa na inona no nahatezitra azy tany , dia ny Elans, be sofina sy lava tongotra be, avo be mihitsy ny tongony iny azony loza loatra manko zareo itony raha hirobo-drano, ny coyottes tazana lavitra fotsiny, mahafinaritra ery rehefa sendra any anaty hazo eny mifanena amin-dry zareo , ny ours ihany no tsy tiako hifanena loatra na dia mba naniry ny hahita aza aho sady mivavaka ihany ny tsy hifanena aminy ka dia tsy nahita moa ny niafaràny.
Mbola lava be ny dia satria 12 000km ny totalin'ny dia vita tamin'ity miampy ireo fitsidihana an'i Yellowstone sy Grand Teton Park ao Wyoming, ny fandehandehanana nitsidika ny tanàna nilevenan'i Ernest Hemingway any Sunvalley -Idaho. Fa toa lava be izy izany kah! tohizo an-tsaina eo aloha fa hiresaka zavatra hafa indray aho fa kamo be aho izany hitantara indray!!! 'zafady.