Resahiko zavatra ianao!

AVIA IZAY HIARAKA AMIKO!

kally | 10 Jiona, 2006 13:28

Hanaraka ahy ianao?
Andao isika sy ianao handeha an'eritreritra ho any lavitra be e! mba manofinofy hoe mandeha hono izany isika, mandeha kilaidainga. Kilaidainga tena izy.Efa hitanao moa ilay sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe "L'homme qui murmurait à l'oreille des chevaux" sy "Et au milieu coule une rivière", raha tadidinao dia toerana mahafinaritra tokoa no hita ao anatin'ireo sarimihetsika ireo, nanintona ahy mba ho any, Montana no anaran'ilay tany misy an'ireny toerana tsara ireny. Any no hitondràko anao kilaidainga an'eritreritra.
Hanainga aminn'y 10 ora maraina ny fiaramanidina handehanantsika dia ho tonga any amin'ny 12 atoandro mahery kely eo.An!an! tsy adiny roa izany fotsiny kah! adiny 8 mahery isika ho eny ambony eny foana, adinonao ny nikaonty ny elan'elan'ora .Ny lanitr'i Belfast no hisidinantsika voalohany dia mikisaka mankany mankany ny fiaramanidina mandra-pahatonga any Newark- New York.Somary mandreraka ihany rehefa tonga aoamin'ny seranam-piaramanidin'i Newark: ny tena efa vizaky ny fisidinana naharitra adiny 8 mahery mbola mihazakazaka maka entana, manomboka pasipaoro ,ets  mbola maika hamonjy ny fiaramanidina aminn'y 5 ora  ho any Minneapolis indray manko .Marina fa  misy tany hijanonana kely ihany fa inona moa no hitanao sy ho jerenao ao anaty seranam-piaramanidina?Fahasorenana no betsaka dia mijerijery ireo fivarotana ao anaty seranana fotsiny. Amin'ny 5 ora lasa indray mandray ny fiaramanidina faharoa ,mbola manidina adiny telo indray isika  vao tonga any St-Paul Minneapolis.
Tonga any  isika amin'ny valo latsaka fahefany ,dia mbola haka ny fiaramanidina farany hitondra antsika ho any Missoula izay vao tonga, soa ihany fa manaraka ho azy ny entana fa tsy mila raharahiana loatra intsony.Ao Minneapolis isika aloha somary sorisorena ao an-tseranana miandry ny fiaramanidina manaraka hiala amin'ny 10 alina eo ho eo, soa ihany fa tsy dia miandry ela loatra fa adiny roa fotsiny sady ohatry ny mba vetivety ihany dia lasa ny fotoana.Na dia vizana aza ohatry ny tsy dia mety matory, dia sorisorena mihodinkodina eo fotsiny.
Hanidina kely mandritry ny adin'ny telo eo ho eo indray isika dia ho tongaaaa! izay vao hanomboka ny zavatra mahafinaritra.Raha totaliana izany dia nahatratra 21 ora sy 38 minitra ny dia.
Efa misasak'alina va tafavoaka ny seranam-piaramanidin'i Missoula, tanàn'ny mpanoratra hono izy io. Vao avy maka ny entana isika dia lasa miantso ny hotely haka antsika,fa ny tanàna tsy mbola naleha sady tsy fantatra, manahirana ny hitady lalana alina fa rahampitso vao haka fiarakodia.
Nahoana no i Missoula no nosafidianana hoy ianao?Kisendrasendra fotsiny, io no isan'ny seranana manakaiky ny Glacier Park dia izay no nalaina, talohan'ny famandrihana tapakila tsy fantatro akory ny fisian'ity tanàna ity.
Wingate Inn no hotely hitako akaiky ny seranam-piaramanidina indrindra ao Missoula sady mba afaka mitsena antsika.Tsara kokoa raha fandriahana mialoha io hotely voalohany io, iza no mahalala sao tsy hahita tany hatoriana eo .Faly ery fa tonga ,adino ny havizanana !!!
Ny maraina aloha milomano sy milalao rano  kely ao amin'ny hotely dia avy eo misakafo : donuts sy muffins ary céréales no sakafo maraina, eo am-pisakafoanana maraina no mijerijery ny sarintany mandinika izay lalana mety haleha ny androtr'io.
Vao avy misakafo dia mandamina ny entana dia mandao ny hotely, zareo ihany no manatitra eny an-tseranam-piaramanidina, tsy hoe handeha fiaramanidina indray fa any no maka ny fiarakodia handehandehanantsika kah! Nihomehy anakampo aho nahita an'ity fiarakodia , toa chevrolet mavo adala be ity izy, vao lavitra dia tazana. Izany hoe mahafinaritra ihany aloha sady tsy dia nampaninona ahy ilay lokony mavo adala sady izao mora hita rehefa mba mijanona eny amin'ny parking.Tsy mila mitady ela fa vao mivoaka dia io izy tazana izy irery no mavo adala be eo.
Manga be ny lanitra, tsara be ny andro tsy mahagaga "Big Sky Country" no misy antsika : Montana.
Aza adino fa ny feu rouge aty tsy eo amin'ny sampanana  ijanonanao no misy azy fa ery am-pita.Ka sao varimbariana!
Hihodina kely vetivety ao Missoula aloha isika, mazava ho azy fa ho tsidihintsika koa ny toeram-pivarotana.Mandeha any Southgate mall aloha isika hijery vorodamba sy izay mba mahafinaritra antsika, ny tena tiako kanjo ny jeans tsy misasa any amin'ny JC Penney.Moramora kokoa ny vidin-javatra amin'ny magazay aty.
Dia rehefa avy eo isika hijery hoe aiza ho aiza no haleha manaraka.Ny sakafo atoandro mihinana eny am-panidinana eny sady mbola malain-komana be koa moa fa angamba tampohin'ny miova tany sy toetr'andro ary ny havizanana koa etsy andaniny.
Tsy hamandrika hotely mialoha izany isika ankoatry ny hotely voalohany fa izay toerana mahafinaritra no ijanonana.Dia raha mbola tianao dia ho entiko manaraka ahy foana ianao.Sa vizaka ianao? leo?
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb