Resahiko zavatra ianao!

Handeha hi-voaiazy!

kally | 01 Jiona, 2006 09:53

- Rôpilanina galery, tsofin'ny rivotra dia mikodia. Voromailala misidina ambony, nankaiza i Malala no tsy hitako intsony?

Iny e! iny e! laaaasaaa!

Antsoantso fanaoko io raha vao misy rôpilanina mandalo any ivelany any. ka na aiza na aiza aho dia lasa miridana mivoaka mijery rôpilanina mandra-pahadifiny.

Firy taona ary re aho tamin'io e?Latsaky ny efatra aloha satria tsy mbola nalefa nianatra aho fa mbola nijanona tao an-trano.

Dia lasa ny saiko hoe ho aiza ary iny dia iza avy ny ao anatiny?? Dia nanontaniako i Neny : fa iza ry neny no mitaingina an'iny rôpilanina iny? Dia hoy i Neny hoe : olona mi-voyage e! - F'inona izany mi-voyage ry neny? Mitondra valizy feno akanjo dia mandeha any lavitra be ee! hoy i neny.Izaho koa izany ry neny mba te hi-voaiazy dia hitondra valizy dia handeha any lavitra be!!!

Nony nanakaiky ny faha-dimy taonako teo aho dia nalefan'i Neny hi-"voiazy" tokoa aho,  fialan-tsasatro irery tsy misy an'i dada sy i neny voalohany io satria namarana ny maternelle io, nifindra T1 dia halefa any amin'i bebe hono.Nanampy an'i neny namboatra ny valizy aho : ireto ny akanjon-dry ho entina miantsena, ireto ho entina mivavaka, ireto akanjo fitenaina, dia tandremo tenaina ny akanjo fitondra mivoaka, misasa vao matory, vao mifoha dia misasa tarehy sy mihogo volo fa tsy miridana ohatry ny soavaly tapa-kofehy, ets ets.Toa fantatr'i neny fa ireo mihitsy no hataoko rehefa any aho.

Naterin'i neny vao maraina be teny @ garan'Antsirabe izahay sy ny zokiko lahy (7 taona),nitsoka be ny rivotra vao maraina teny ambony posy, handeha masinina miala amin'ny dimy angaha moa izy izay sa amin'ny enina latsaka fahefany?Dia hoy izy hoe tsy ilaozana matory rehefa any anaty masinina fa vakiana tsara ny anaran'ny gara dia asaina ampidinin'ny olon-dehibe ny entana, lahasan'ny zokiko io mijery ny anaran'ny gara io fa izaho mpanaitra azy raha sendra matory izy :Antsirabe-Andranomanelatra-Sambaina-Antanifotsy-Ampitatafika-Ambohimandroso-Ambatolampy-Behenjy ( mba marina ve izany fitanisàko azy izany sa nisy adinoko ry reto?) ets.Tonga!!!

Alefa aminn'y borety mankany an-tsena ny entana dia izahay manaraka avy ato aoriana misisika be any anaty olona any. Misisika tokoa eny an-tsena ka isaky ny avy mihinana tantely izahay dia fafanay amin'ny bodofotsin'olona ny tananay (shhh! aza mitsaratsara ahy eo re ianao e!).Rehefa avy mihodina eran'ny tsena sy avy namely vary mitsangana misy ron-kenan-kisoa na mihinana mofo menakely dia lasa manenjika car brousse  saviem-renault super goelette ireny,tena mba nofinofiko ny hitaingina "devant" tamin'izany fa tsy mahazo fa izaho mantsy mbola tsy feno taona hono ka tsy mandoa saran-dalana dia mitsangana ary aoriana, halako ery.Tamin'io fotoana io tsy haiko na ohatrinona ny saran-dalana fa ary zato ny saran-dalana tadidiko farany , izao toa efa dimanjato angamba.

Fenoy io aloha io fa mbola tsy feno e! hoy ilay edisôfera:enin'enina ny seza hoy izy,ingao ny tongotra ô hoy indray izy rehefa hanisika sobika any ambany sezanao any izy. Ny tena tsy laitrako ilay mitsiritsirika eo am-baravarankely, mba hakahaka rivotra dia misy mandrora paraky any aloha any tsofin'ny rivotra mankany aoriana ggay! (aza marikivy be ohatran'io moa ianao eo am-pamakiana e!), na nilatsahan'ny ranon-kisoa hoy zareo izay : manko ny kisoa ao ambony tafo ao ka poritra ary izy tsy ampidinina, aza mba sendrany ihany eny an-dohan'izay mahery mitsiritsirika daholo.

Ah! lehiretsy, fahafinaretana ery izany rehetra izany an! tsy ilay nipitihan'ny roram-paraky na nanditsahan'ny kisoa akory no lazaiko fa ilay mi-voaiazy kah!

Amin'izao aloha efa tsy iray intsony ny kara borosy mankany fa efa misy 404 bâché koa,fa ity kosa tena mamovoka be tsy laitra, ohatry ny tsangan'olona vita tany mena ianao mivoaka avy ao.Aza mankany amin'ny bebenay aloha raha olona tsy tia vovoka sy matahotahotry ny haloto fa eo no raisina e!

Hay ve izao izany mandeha voaiazy hoy aho anakampo.

Eto aho mahatsiaro manokana ny namana Mirana omeko kopa-tanana lasa nandeha ni -voiazy , soava dia e!

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb