Resahiko zavatra ianao!

Manao ahoana aloha e!

kally | 20 Mey, 2006 13:19

 

Mba nanana fotoana kely aho dia io rafitra namboatra blaogy io. Efa hatry ny omaly na afak'omaly akory aza izy ity no natomboko fa mangataka andro lava aho, kanjo tsy nisy nanome ahy!!!

Dia alohan'ny handehanako mamita raharaha androany dia raikitra eto aho, efa hatry ny aninkeheo aho io no niselontselona teto : isaky ny mahavita mandamina efitra anankiray aho dia ilaozako eto aloha. Dia lasa kely indray, dia io indray fa miverina....dia handeha kely indray aho, dia hiverina...Resahiko izay mahafinaritra ahy eto ianao.

Dia mety hoe ho monamonaina be ve ianao mamaky ny soratro ato?Asio mozika ao ambadimbadika ao dia mety tsy haninona, na raha tena hitanao fa fôpla be dia reveo manja ihany dia ho hitanao fa hilay ho azy, sa ahoana?

Inona moa no tena nahatonga ahy hanokatra azy ity e? Asa!!! aza raharahiana aloha izay antony fa misaotra namaky e!

Mifampizarazara izay mahafinaritra eto isika, na izay manirikiry koa, hifampizarazara sovenira, soa fa nisy ny internet ...hanaovako tantara valamaty eo ianao indraindray raha manaiky.Dia hitantarako zava-misy sy efa nisy koa , mety tantara itovizana amin'ny anao aza fa nitranga tamin'ny toerana sy fotoana samy hafa fotsiny.Hitantara zavatra niainako na tany nalehako mety mba halehanao sy hiainanao koa. Zavatra ohatr'ohatr'izany no tiako hatao eto ka inona indray moa e? Ie! ohatr'izay eritreretinao izay mihitsy koa izao no vao saika eritreritro.

Dia asiana sary hoy ianao?Eny tokoa, raha mety mifanena moa ny fotoana sy ny fahazotoana nahoana no tsy mba hasiantsika sary kely eny ananonanona eny?Izany hoe alaivo ara-keviny fotsiny aloha mandra-paha...Mety ho tazanao matetika aho indraindray, mety ela be koa vao ho ho hitanao indray.Tsy mmpaninona anao? Mazotoa ary dia misaotra nitsidika e!

 

 

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb