Resahiko zavatra ianao!

Saviky ny omaly.

kally | 31 Desambra, 2006 01:03

Manomboka mitsoka ny rivo-mangatsiaka mampatsiahy fa tapitra ny andro tsara ho an'izay mbola varimbariana mifety sy maka rivotra. Teo am-pandiovana ireo tavim-boninkazo nilaozan'ny felana nanaingo azy aho no injay reko ny kiririoky ny antso an-tariby.
Napetrako haingana ireo tavim-boninkazo dia niditra nanasa tanana mailaka aho sady nandray ny antso:
- Kally?
- Eny hoy aho, iza no miresaka amiko azafady? Fa toa tsy nahazatra ahy ilay feo sady toa olona miteny anglisy.
- Andrew ihany ity hoy izy, tadidinao ve?
- Andy? hoy aho somary nangovitra tampoka teo, sady taitra ela be izany, tsy nanantena hahazo antso na vaovao avy aminao intsony aho!Hitako fa namoaka raki-kira vaovao ianao!
- Hay tsikaritrao ny fivoahan'ny raki-kirako, ka tianao sa ahoana? Ianao no nanaovako an'iny.
Sadaikatra aho, tsaroako nafana be tany anatiko tany.
- Mmmmisaotra anao! ..tsy hitako loatra izay ho lazaina, tokony nisaotra aho sa tokony ho zavatra hafa no nolazaiko?Asa!
- Niantso anao aho hoy izy fa handeha hiverina any Madagasikara aho ato ho ato, mety hihaona ve isika?
- Tampoka be loatra izany ry Andy hoy aho, tsy hitako izay lazaina anao, haharitra ela any ianao?
- Voatendry hanao fikarohana any aho hoy izy, tiako loatra ianao sy ny firenenao ka niteraka nofy mamy tao anatiko, nofy izay inoako fa tratrako ankehitriny.
Niverina tao an-tsaiko ireo fotoana rehetra nahalalako an'i Andy, Andy...tovolahy tsotra , ranjanana sady tsara bika, maitso ny masony, mavo malefaka ny volony, be tsikitsiky lava izay izy, tia mozika tsy nisy ohatr'izany, ary efa namoaka raki-kira vitsivitsy izy, izay tsy ho lazaiko anao eto. Andy!!! nidoboka ny foko.
Tao am-piasàna no nihaonanay voalohany , mifanerasera amin'ny vahiny maro moa ny asako tamin'izany ka efa nahazatra ahy loatra na ny maso mitsopelapelatra, na ny orona miavonavona, na ny vahiny sariadriaka.
Isan'ny nametraka dosie ho karakaraiko i Andy . Avy dia niresaka sy nisariaka be tamiko izy, ary noho ny taratasiny naharitraritra vao vita dia nivezivezy matetika tany amin'ny birao izy.
Na dia efa vita aza ny taratasiny dia nazoto nitsidika sy nanasa ahy hiara-hijery rindran-dihy sy fampisehoana tao amin'ny CCAC i Andy saingy nolaviko foana ny fanasany, fantatro raha vao niantefa tamiko ny masony fa misy manintona azy ety amiko. Izaho kosa na nahafinaritra ahy aza izy, nataoko nilentika mafy tao an-tsaiko fa tsy ny vahiny izay mandalo no hametrahako ny foko.
Isaky ny mandalo eto Antananarivo izy dia mivily ao amiko, manasa ahy hiara-hijery fety aminy, ka lasa mpinamanamana tsy satry izahay sy izy saingy nolaviko foana ny hiresaka taminy maharitra loatra. Ary tsy nety nihaona taminy ankoatry ny tato amin'ny birao aho.
 Indraindray raha sendra taraiky aho vao tonga any amin'ny birao ny maraina dia efa io izy itangoronan'ny ankizy kelin-dalambe, ny ankizy kely mampianatra azy teny gasy, izy mampianatra ny ankizy teny anglisy.
Indray maraina gaga aho fa na dia tonga alohaloha tsy toy ny mahazatra aza aho dia io izy efa tazako eo, tarafin'ny andro vao maraina mijoro eo afovoan'ny ankizy lahy kely maromaro.
- Efa ela angaha ianao no teo hoy aho?
- Tamin'ny fito io vazaha io dia efa niandry anao teo foana ry Madama hoy ny fitsatsaingoky ny iray tamin'ireo zazalahy kely niresaka taminy. Madama ela be vao tonga nefa ilay olona mba sasa-miandry hoy ihany ilay zazalahy kely.
Nihomehy aho satria amin'ny sivy aho vao mamoha birao matetika.
Tamin'io fotoana io dia tsy nisy tsy nahalala azy tokoa ny ankizy kely teny an-dalambe, ary rehefa izy no nandalo dia "mpinamana" zareo : tsy nisy fangatahana na ny hoe omeo aho fa dia miresaka sy miara-mitokàkakaka eo zareo. Asa tsy latsaky ny enina ny andian'ankizy nanaraka azy tamin'izany.Rehefa hiditra ny biraoko izy dia nanao veloma azy ny ankizy " Good bye an!" hoy ireo ankizy mantsy azy, izy kosa namaly "veloum' " tamin'ny feony migobona sy mafana.
-Tonga hanasa anao farany aho hoy izy fa handeha aho, hiaraka hisakafo amiko ianao? Hoy izy.
Tsaroako ho nanindrona kely ahy ny foko naheno azy hoe handeha, nanaiky ny fanasàny aho.
Faly be izy, nanomboka nandihindihy sy nihirahira eraky ny biraoko  , faly be aho fa azafady hoy izy. Nojereny ny famataranandrony , afaka adin'ny fito dia hiara-hisakafo isika, tsy andriko ery hoy ihany izy nandihindihy.
Variana aho nijery azy sady nihomehy anakampo. Somary sadaikatra ihany aho fa tsy tiako ho fantatry ny mpiara-miasa amiko loatra izay fifandraisanay. Tsikariny angamba izany ka hoy izy nanongo ny tarehiko hoe :
- Avelako hiasa ianao fa sao tara rahariva, natolony ny tanany, nobanjininy aho sady nitsiky izy, misaotra nanaiky ny fanasako hoy izy fa tsy ho takatry ny sainao ny hafaliana omenao ahy.
Ny atoandron'io dia niverina izy niaraka tamin'ny gitarany, teo am-pisakafoanana tao am-piasana aho no nanaovany hira anankiray nianarany tany amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara, dia variana aho fa dia hainy ery ny niteny gasy amin-kira. Tsaroako ho tsara ery izay hira izay, izy koa moa tsara feo be rahateo.
Tsy dia nahatelin-kanina aho io atoandro niverenany io tsikariny io ka hoy izy tamin'ny teny gasy miambatrambatra :
- Kally, mosary anao, mihinàna.
Nihomehy aho fa mahafinaritra ahy loatra ny mihaino azy mibadabada miteny gasy ka afangarony daholo izay teny hainy tany amin'izay toerana nandalovany.
Somary sadaikatra ihany aho nony teo izy satria tsy dia tiako loatra ny miresaka amin'olona ankoatry ny asa ato amin'ny biraoko ka na dia nahafinaritra ahy aza ny famangiany ahy dia mody nisarika antontan-taratasy tao anaty biraoko aho sady nolazaiko izy fa tonga ny ora fiasàko fa rahariva mihaona.
Tsy andriko hoy izy ny hahita anao, nikopakopa-tanana ahy izy sady namonjy ny varavarana.
Izaho koa namaly ny kopaka nataony sady nitsiky. Dia revo niasa aho, toa tsy nisy fotoana nieritreretako izay mety ho fandehan'ny fihaonanay rahariva akory fa be loatra ny asako, ka tsy hitahitako akory dia hariva ny andro.
Nampirina ny antontan-taratasy farany aho, nopihiko ny ordinatera dia lasa nivoaka aho.
Teo anoloan'ny paositra ny fotoananay, io izy efa tazako eo, sambany mba izy irery no teo fa nankaiza ary ny ankizy kely mpanaraka azy?
- Vao hitany aho dia notsenainy nobataina. Menatra be saiky tsy hitako izay hasiako ny tenako, namboariko haingana ny akanjoko somary niforiporitra teo, dia namboariny ny voloko, dia lasa izahay namonjy toeram-piasakafoanana.
Dia nisakafo izahay, samy tsy dia nisy nahateny, izaho difotra lalina anaty eritreritro satria na dia ninia tsy nahita aza ny saiko, na dia ninia nakatoko ny foko dia fantatro fa babo ihany aho, babo amin'olo-mandalo? Tsy tsaroako akory izay sakafo nofidiako iny hariva iny, nony avy nisakafo izahay dia hita fa samy mbola nalaina ny hody, lasa izahay niditra trano fisotroan-dite, nikaomandy dite izy dia samy nisotro teo izahay sy izy, hita anefa fa tsy mifantoka amin'izay dite akory ny sainay.
Ny teniny no nogohiko, variana aho mihaino azy mitantara ny diany teto Madagasikara : ny takariva niarahany tamin'ny namany mpiara-mihira aminy isan-kariva tany Morondava, ny tantaran'i Mahia mpanjono mpampianatra azy mihira, ny alahelony nilaozan'i Mahia izay nindaosin'ny rivo-doza teny am-panjonoana . Babo ny foko nahita ny masony maitso nanganohano teo am-pitantarana, nanganohano koa aho, dia nifampijery izahay dia mody samy miara-nihomehy. Dia samy nihodina namafa mangina ny ranomasony avy.
Notantarainy ahy ny hatsara fanahin'ny reniny, ny dadany, ny zokiny, sy ny fianakaviany rehetra any Canada, ny anabaviny izay nifindra any Australie...ny hatsaran'ny fararano sy ny hazo miova loko any amin-dry zareo.Notantarainy ahy ny fahazazàny.Dia nogohiko ny teniny, toy ny nisy andriamby nandraikitra ny masoko ny masony...dia niresaka sy nifampitantara teo izahay, tsy tsaroako izay resako taminy fa ny tantarany no naharevo ahy mafy.
Ilay mpandroso dite tonga nangorona ny kaopy izay zara raha nokasihinay no nanapaka ny fifanintonanay, hay efa amin'ny 12 alina, nanao veloma ireo mpivarotra izahay dia lasa. Sady nihomehy fa tsy nahatsiaro ny andro alina, "adaladala isika" hoy izy niteny gasy mazava, dia samy nihomehy indray.
Sendra mpivaro-boninkazo tratr'alina teo Antaninarenina izahay , novidiany daholo ilay raozy rehetra teo amin'ilay mpivarotra dia natolony ahy, difotra tao anaty raozy aho, nikakakaka izahay, nifampizaranay ilay voninkazo fa be loatra dia samy toran'ny hehy izahay.
Noraisiny ny tanako dia notantanany nidina mora nandeha tongotra aho, efa vitsy olona ny arabe, nobanjininy aho, nobanjiniko izy, horakoraky ny tovolahy tanaty kamiao niridana tsy nisy labasy no nampihomehy anay sady nanapaka ny fifampibanjinanay. Dia lasa indray izahay nandeha tongotra.
- Hateriko ianao, hoy izy, handeha tongotra isika mandra-pahatonga any aminao.
- Andao ary hoy aho tsy rototra.
- Kally, hoy izy sady notazoniny indray aho hijanona, tsy ny hanadala anao no nalehako taty Madagasikara, tsy hitady vehivavy ho tiavina no nalehako taty, nefa dia vao nahita anao aho dia babo. Tsy fantatro anefa mety manambady ianao io, mety misy miaraka aminao, nefa tena babo aho, mamelà ahy hoy izy.
- Nitsiky aho, inona moa no havaliko azy eo? Noraisiko ny tanany dia nosintoniko izy handeha.
- Manambady ve ianao sa manana olon-tiana?
- Ho inonao anefa izany ry Andy? Hampiova inona eo amintsika sy ianao izany? Ianao anie handeha rahampitso e!
- Kally, andao hiaraka amiko ho any Canada, ho faly be ny mamako raha mahita anao.
- Aza miteniteny foana hoy aho.
Dia nitohy nandeha an-tongotra ihany izahay. Nony elaela anefa dia nanapa-kevitra ny hanakana fiara karetsaka izahay fa hadalàna ny handeha tongotra mandritry ny alina.
Nony tao anaty fiara karetsaka dia noraisiny moramora ny tanako, norohiny aho.
Nitsopelatra tany aminay ny mason'ilay mpitondra fiara karetsaka, dia samy toran'ny hehy izahay.
Dia hoy izy mantsy ahy : -Toy ny fitsopelatry ny mason'ilay mpitondra fiara io ry Kally ny fitsopelatry ny foko nahita anao.
Dia samy nihomehy indray izahay sy izy , izany angamba no atao hoe mamo tsy nisotro, mamon'ny fitiavana !?
Nony nanakaiky ny trano dia samy nidina izahay.
- Eto aho avela hoy aho.
- Manaja anao loatra aho ka tsy hanontany anao akory izay misy ny tranonao, tafandria mandry ry tiako.
- Tafandria mandry Andy. Nofihininy mafy aho dia nifanoroka maharitra izahay.
Dia nateriko teny amin'ilay fiarakaretsaka niandry teo indray izy, dia niverina nanatitra ahy indray.
Farany nolazaiko izy fa hilaozan'ilay mpitondra fiara karetsaka eo ka handeha tongotra ho any Ivato eo! Dia hoy izy handeha tongotra tsy misy an'i Kally tsy tsara .Sa hiaraka hody amiko ianao ?
-Adaladala ianao, hoy aho , dia niara-nihomehy indray izahay.
-Veloma hoy izy, vao manomboka ny nofiko na handeha rahampitso aza aho, tsy hanadino anao aho, ho avy any Canada ve ianao?
- Veloma i Andy, hoy aho natahotra ny ho babo tanteraka ka ninia nisintona ny tanako.
Dia lasa izy sady nikopa-tanana ahy tanaty maizimaizina.
Andy, toy ny vao omaly!!! firy taona tokoa izay no dila? Efatra? Dimy? Toy ny vao omaly
Hatramin'iny antso nifanaovanay iny dia valalanina ny foko, nimpongatra daholo ny fahatsiarovana rehetra....
 (tohiny)

NATAOKO NAJIFA....!

kally | 18 Aogositra, 2006 03:58

Tsy maintsy hoe atomboko amin'ny resa-bola hany ity resaka ity!
Tadidiko tsara fa i Neny no olona nitakiako vola voalohany. Mahita hanirahana ahy foana mantsy izy : haka fandraofam-pako e, hamafa sotro, hijery any an-dakozia raha mangotraka ny vary , mandroaka ny akoho manilika ny voninkazony, hanondraka voninkazo miaraka amiy ets..mahita hanirahana ahy foana izy raha mbola andro koa ny andro.
Hitanao amin'izany fa na dia vao zara raha nahay nanoratra aza aho dia be ny asa nanirahana ahy, tapaka ny hevitro fa hangataka karama aho fa toa efa ho lava ity iraka ity ,
Nohararaotiko nolazaina an'i Neny ny faniriako hahazo karama nony nirahiny haka cendrier aho,dia fanazavana lava be moa no navaliny ny fangatahako,  fa ny hany tadidiko dia ny hoe tsy azo atao izany mitaky karama amin'ny ray aman-dreny izany. Asa mampaninona angaha fa tsy dia nasiako adihevitra betsaka loatra fa nanaiky aho ny hanao raharaha tsy misy karama sady Neny koa tiako ka sao marary izy raha manao raharaha irery , dia nilefitra aho na dia betsaka aza ny nilàko vola. Ie! tena nila vola tokoa aho fony kely  ary mba nanana fidiram-bola ihany, ka izao avy ny fidiram-bolako tamin'izany :
 - Ny voalohany , vola azoko rehefa sokirina parasy .
Nidiran'ny parasy lafrika matetika mihitsy aho tamin'izany fa lava tongotra tany an-tokotanin-dry Razôzy mpiompy kisoa; ka raha mahavita miaritra tsara tsy mitomany sy tsy mikofokofoka rehefa esorina ilay parasy dia omen'i neny vola hividianana voanjo.
Mitsilay tsara eo am-pandriana, dia atao eo am-pofoan'i Neny ny tongotra,dia dorany kely ny loha-paingotra dia hoy izy hoe miaritra kely dia tsy mihetsiketsika an!  Akimpiko tsara ny masoko ka na marary be aza tsy mihetsika mihitsy aho,dia vetivety ihany dia voasikotra tao ilay izy.
Dia hoy i neny hoe hendry be ny zanako fa mandehana mividy voanjo .Faly ery aho tamin'izany ka satriko ho sokirina parasy foana ka na dia efa noraràna aza aho tsy hilalao any an-tokotanin-dRazôzy  intsony dia tsaroako ilay voanjo avy sokirina parasy dia any ihany aho manao fanahy iniana milalao, kanjo moa kapoka be ny niafaran'izay resaka izay.
- Ny faharoa, ny vola omen'ny vahiny  : rehefa misy vahiny tonga mamangy anay dia omeny vola aho rehefa handeha izy : ity zaraina ho anareo hoy izy dia faly ery ka miandry tsara ho lasa ny vahiny dia lasa miridana mamonjy mpivarotra.
- Fahatelo : ny goûter andavan'andro : io moa marain-tsy hariva tsy maintsy mahazo fa notapahina tanteraka  nony afaka cepe aho, tsy nahazo intsony f'izay no farany.
- Fahaefatra : ny rakitra any am-piangonana.Ialàko tsiny raha nihevitra ahy ho anjely kely ianao. Ary izay tsy nanodinkodina rakitra no aoka hitora-bato...
 Anombinako foana ny rakitra raha omena ariary folo aho ny ariary ihany no alatsako ho rakitra fa ny ariary sivy voahodiko, izany ihany no tsy ilatsahako ho mpanao pôlitika sao sanatria manodikondina any.
Nony lehibebe kely koa aho dia najanoko io satria mpianatry Masera aho ka tsy maintsy nikaonfesy isaky ny lamesa Zoma maraina,ary nampanantena ny tsy hamerina intsony ka tsy nasiako nenina ny nanajanonana azy,.Nony vita ny kaonfesiko dia vavaka fanenenana tamin'ny ratsy rehetra nataoko, narahiko arahaba ry Maria 10 sy Rainay any an-danitra ary voninahitra no nanaovako veloma an'io fanodinkodinana rakitra io fa narotsako tanteraka daholo izay natokana ho amin'ny rakitra nanomboka teo ka hatrizao.
Ary ny fahadimy farany dia ny vola omena rehefa mandeha vakansy.
Dia gaga ianao hoe fa mba ataoko inona ary vola, atao inona fa tsy ho laniana e? Arakaraky ny habetsany no andaniako azy.
Mba niezaka nanangona tanaty boatin-dronono nestle ihany aho fa dia maty sikotra isan-teteky ilay vatan-drakitra, naharitra aho raha herinandro tsy nikirakira vatan-drakitra sady efa voaisako mialoha foana ny ao anatiny.
Ny tena tiako sy mampanonofy ahy dia ny mandeha mividy mokonazy milona :ramatoa teo akaikin'ny tranonay ihany no mpivarotra azy io .
Manao haody im-be dia be ianao vao tonga izy rehefa mividy zavatra ao aminy .Manam-potoana tsara handinihina an'ireo mokonazy amin'izany.Mahafinaritra be ny mijery an'ilay izy boribory tsara difotra ao anaty ranon-tsiramamy ao anaty bocal na vilia baolina duralex misarona ,dia misy tantely misamonomonona manidintsidina eo mba te-hanandrana koa, izaho mitelin-drora mitily izay ho fidiako, efa tiliako mialoha sady arahiko maso sao asiany an'ilay mikaperotra be na ilay manta be ireny ,ataony anaty kaorinera taratasy ilay izy dia isainy tsara, tezitra ery aho rehefa tsy izay tondroiko ny ataony ao dia tsy mety handoa vola aho, dia sady ataony ao ilay notondroiko no lazainy fa zaza tsy azo atao inon'inona hono aho.
Dia mipetraka eo ambony lalamby aho mihinana azy avy eo, trohiko avy aty ambany aloha ilay ranony mamy be dia avy eo tsindrohiko tsirairay amin'izay ilay mokonazy, indraindray voateliko tsy nahy ilay voany dia matahotra aho hoe haniry any an-kiboko any iny izao. Amin'ny lafiny iray toa tiako ihany izany hoe maniry eo ilay mokonazy dia sady mitango ihany aho ka eo amin'ny kiboko eo, nefa hitangoronan'ny ankizy aho rehefa tonga any am-pianarana raha maniry eo tokoa iny, dia mivavaka mafy aho mba tsy haniry ilay voany voateliko tsy nahy teo.Hoy ny fivavako amin'izany hoe: raha tena misy marina ianao Andriamanitra dia aza ampaniriana any iny voan'ny mokonazy iny.
 Tsy dia mifanaraka loatra izahay sy io mpivarotra io fa indraindray ataony tsy ampy isa ny mokonaziko , ohatryny lafo loatra ny fahitako azy ka dia miova hevitra aho hoy aho hoe lafo kely izy izany ramatoa fa aleo voamadilo ny ahy kah! sady tezitra be izy no soloiny voamadilo. Taty aoriana moa noteneniny aho fa tsy hanao intsony hono izy raha tsy mandoa vola aloha aho, dia samy nidrikina izay fa izaho tsy handoa vola raha tsy hitako izay ataony ao.Nanaiky ihany moa izy  sady ningonongonona be !
Tsy dia tian'i Neny loatra aho mihinana voamadilo ka dia voatery miafina foana aho mihinana azy, raha eo akaikiny eo aho no mihinana azy mantsy dia hoy izy aleha ary an'efitra ary mihinana an'iny fa mankadilo ahy ny mijery anao, efa teneniko tsy hividy an'ireny mbola ireny ihany.Tsy te hampadilo azy aho sady tsy te ho voatsongo sofina moa dia miafina mihinana an'ilay voamadilo ka ny voany sisa no kikisako amin'ny nify rehefa mody aho. Kikisana tsara ao anaty nify ao ilay izy da miala ilay fonony manjamanja mangidy maisatra be iny dia mbola misy voany fotsifotsy tavela ao, ela be anefa vao voakiky ilay izy.Satria mbola tohizako eo ambony latabatra madra-pandroson'i Neny vary ny fikikisako azy. Voatsongo sofina be aho hoe mbola mikiky an'iny indray moa? Tandremo tsy mahalany vary hoy izy.
Fa laingalainga fa manahirana be tokoa ny mihinam-bary avy eo azony madilo be ny nify moa ny lela maisatra be.Lahoana mihitsy aho vao laniko ny anjara variko, miezaka mafy aho satria voarahona hoe : aza mihinam-bary tsara fa ho ohatry ny vim-bà sisa io ranjon-dry io.
Fa tohiziko ilay resa-bola e!
Rehefa mihidy ny mpivarotra mokonazy na lafo loatra ny mokonazy sy voamadilo dia bômbô saina  na bômbô fanoto (mavokely lavalava misy tsipika fotsifotsy ) sy bômbô madinika no fividiko : ilay mandoko lela ireny no tena itiavako azy : maitso na mena ery ny lela rehefa avy mihinana azy.
Indraindray moa rehefa mahazo vola bebe dia maromaro no vidiako ary atao mitovy ny lokony toa dimy ariary izy tamin'izany ka ny ariary folo ividianako azy daholo, dia tsy mety mandray aho raha vao asiana fotsy na maitso , fa mena ihany no tiako, dia mangataka tavoahangy plastika ao an-dakozia aho dia alatsako aho ilay bômbô madinika dia tapohiko rano dia ahotsakotsako tsara, dia miova ho rano mavokely ny ranoko dia lasa ifampizaranay mpiara-milalao.
Be dia be ny zavatra azoko novidiana te amin'ny manodidina teo hany ka rehefa omena vola hividianana goûter any am-pianarana aho dia eny an-dalana alohan'ny hahatongavana any am-pianarana ihany dia efa najifa ny vola. 
Ary ny nahagaga dia tsy tia zavatra mifono mihitsy aho tamin'izany fa ity taitain-kanina eny an-tsisin-dalana rehetra ity no tena tiako.Efa bedy foana  sy voarara aho tsy hividy zavatra tsy misy dikany fa e!e!e ! adinoko ny fifanekena sy ny fifanarahana rehefa mahatazana mpivaro-mangahazo an-tsisin-dalana na mpivaro-mokonazy ny masoko.Ary tena lazaiko marina aminao fa tsy fanahy iniako ny nanadino ny fifanarahana an!
Koba katsaka, voanjo amin'ny toko, voamadilo milona na mifono tranon-tsigara, klarinety,...izany no nahafongana ny tahiriko tamin'izany andro izany!!!

MATIKO TEO IO RAHA TSY VOATANA AHO...

kally | 26 Jolay, 2006 16:59

Dia variana fotsiny aho raha naheno ny resaka nifanaovan'ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay tamin'ny mpanao gazety omaly sy afak'omaly maraina : isan'ny nolazainy tamin'izany fa manana tafika matanjaka tokoa i  La Frantsa ary ny tafiny no matanjaka indrindra ao amin'ny OTAN miaraka amin'ny tafika anglisy, ny sisan'izay tain-javatra hoy izy. Nilaza izy fa handefa tafika hampijanona ny poa-tafondro sy poa-basy any Liban.
Efa fanaon'ny frantsay moa ny tahak'izao : nanantena izy fa handà Israely satria mantsy tsy dia faly ny israelianina fa isaky ny mandefa tafika ny firenena ivelany dia tafika malezolezo mila arovana foana no alefany, ary taty aoriana dia tsy nanaiky intsony zareo ny handefasan'ny firenena hafa tafika hampandry tany any.
 Dia nanao avo vava ary zareo frantsay araky ny voalazako anao tetsy ambony.
Ren'ny firenena hafa io resaka omaly maraina io ka dia nanaiky tokoa zareo SAINGY tafika frantsay ihany no nekeny halefa any satria io tafika milaza matanjaka hoy zareo.
Nanaiky koa ny Israelianina ny handefasan'i Frantsa tafika any.
Main'ny afo natsangany ary ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay nony nandre fa mahazo mandefa tafika tokoa zareo frantsay : tsy hitany izay lalana hivoahana io maraina io.
Hoy ny filazany hoe : handefa tafika izahay fa atsaharo aloha ny ady.
Dia hoy aho hoe : ta-hanao aminy eo : tazony aho tazony fa matiko io androany, kanjo nony tsy nisy nitazona nifori-drambo...aiza ary ny lalan-kivoahana, aza tsy maty am-bavany ihany ho'a e!

MATIKO TEO IO RAHA TSY VOATANA AHO...

kally | 26 Jolay, 2006 16:59

Dia variana fotsiny aho raha naheno ny resaka nifanaovan'ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay tamin'ny mpanao gazety omaly sy afak'omaly maraina : isan'ny nolazainy tamin'izany fa manana tafika matanjaka tokoa i  La Frantsa ary ny tafiny no matanjaka indrindra ao amin'ny OTAN miaraka amin'ny tafika anglisy, ny sisan'izay tain-javatra hoy izy. Nilaza izy fa handefa tafika hampijanona ny poa-tafondro sy poa-basy any Liban.
Efa fanaon'ny frantsay moa ny tahak'izao : nanantena izy fa handà Israely satria mantsy tsy dia faly ny israelianina fa isaky ny mandefa tafika ny firenena ivelany dia tafika malezolezo mila arovana foana no alefany, ary taty aoriana dia tsy nanaiky intsony zareo ny handefasan'ny firenena hafa tafika hampandry tany any.
 Dia nanao avo vava ary zareo frantsay araky ny voalazako anao tetsy ambony.
Ren'ny firenena hafa io resaka omaly maraina io ka dia nanaiky tokoa zareo SAINGY tafika frantsay ihany no nekeny halefa any satria io tafika milaza matanjaka hoy zareo.
Nanaiky koa ny Israelianina ny handefasan'i Frantsa tafika any.
Main'ny afo natsangany ary ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay nony nandre fa mahazo mandefa tafika tokoa zareo frantsay : tsy hitany izay lalana hivoahana io maraina io.
Hoy ny filazany hoe : handefa tafika izahay fa atsaharo aloha ny ady.
Dia hoy aho hoe : ta-hanao aminy eo : tazony aho tazony fa matiko io androany, kanjo nony tsy nisy nitazona nifori-drambo...aiza ary ny lalan-kivoahana, aza tsy maty am-bavany ihany ho'a e!

Pop in Germany tao Antsirabe

kally | 04 Jolay, 2006 14:54

Avia vetivety ange ianao raha tsy dia maika loatra e! mba hiaraka hamadibadika kely tsiahy eto isika sy ianao. Hampatsiahy anao zavatra io, dia asa mety hitsiky koa angamba ianao? Dia mety hiteny koa ianao hoe : " Izahay koa ohatr'izany...".   Andao ianao ho entiko any an-tranonay vetivety ary fa misy fampisehoana halehantsika any.Alaivo sary an-tsaina ny hira fa omeko anao an-teny ny sary sy ny tonony, dia anjaranao ny mandrindra azy.
Mandrosoa fa aza matahotra fa tsy maninona izany ny alikanay, tsy manaikitra izany io ho'a fa avia fa  alika marary nify ange io e!Avia fa izao ry dadanay sy neninay no tsy ao dia afaka milalao tsara ao an'efitranony isika.
Ato no efitr'i dada sy neninay, vetivety fotsiny isika no ho ato fa bedy be aho raha vao fantany hoe nisy olona niditra tato. Ny harivariva sasany tamin'ny  fahazazanay no ho hitanao ato. Mantsy rehefa avy ny orana na rehefa avela irery ao an-trano izahay ny harivariva iny fa mba lasa nihodina any amin'ny" ville" hono i dada sy neny dia sorisorena eo dia mamorona fety izahay sy zandrinay.
Ny efitry ry neninay moa arak'izao hitanao izao dia misy fandriana misy rideau izay , dia avy eo misy lalimoara misy fitaratra ka tena ao amin'ilay ilànay sy ilay zandriko azy mihitsy.Efa nasehoko anao ao amin'ny sary serasera ao io zandriko io fa be ny mampifangaro anay roa sy manontany raha kambana izahay. Mifankatia be izahay roa ireo fa loza koa raha hiady, vao mifampijery ny maso dia miady hoy ny olona, nefa raha hifanara-tsaina koa tsy misy ohatr'anay roa vavy.  Fa resaka hafa izany !
Arak'izany toetranay izany ary dia manomboka amin'ny gidragidra foana ny zavatra rehetra ataonay roa, ity fetifety hataonay ity dia hanomboka amin'ny gidragidra, nefa nifanaraka tsara ery teo nanapa-kevitra ny hanao spektakona spektakona ( satria misy spect takonan'ilay eo aloha no mahatonga an'io teny io)
 Gidraka eo am-pifidianana micro : raha mbola variana manamboamboatra rideau sy mandamindamina aho dia efa mailaka be ilay zandriko maka an'ilay afo de paosy (lampe de poche) any amin'ny fitoerany any sady miantsoantso hoe ny ahy afo de paosy fa ny andry kifafa borosy. Tezitra be aho fa mba tiako mihitsy ireny micro sans fil ireny (tamin'izany mbola tsy hitanay ilay ahodina aty amin'ny sofina e!) nefa lasany ny afo de paosy, montotra be aho fa haninona moa ka lasa te-hihanahana eo! Dia sady maka an'ilay kifafa borosy no manao hoe izaho ange tsy hanao hiran'i Johnny e! Mandalo fotsiny ihany anefa ny hatezerana satria tonga ny fotoana fiakanjoana.
Dia mifidy ny akanjo sy ny haingo indray, ity indray fotoana mahafinaritra mampifanara-tsaina : ny akanjo moa tsy soloina fa tenenina am-bava fotsiny hoe ny ahy izany akanjo lava be mamirapiratra be ny anaovako dia misy an'izao sy izao e! dia ny lohako hono izany nasiana foulard mangirangirana be an! dia indry hono izany lava volo be mihitsy an! dia samy tsara tarehy be hono izany isika roa vavy. Izy moa izao ohatra an'i Dalida izao no tena tiany ery, ny ah indray rehefa tenenina aho hoe mamirapiratra be ny akanjoko dia efa faly aho.Dia vita iny ny fiomanana.Dia samy mitsiky fa afa-po tamin'ny fiomanana ary sady samy mahita hoe samy tsara be daholo ny paozinay roa vavy.Paozy kilaidainga io fa tsy misy akanjo nosoloina sy volo lava izany eo, ny mamirapiratra an-tsaina ihany, nefa dia hitanay roa vavy.
Dia avy indray izy hamelona gidraka, ny anaran'ilay fandaharana inona?: ny ahy Champs Elysée fa ny andry Pop in Germany ( asa raha tadidinao fa fandaharana misy hirahira  taminn'y télé tamin'izany ireo, mba tianay roa ery), manirikiry ahy mantsy ity zandrinay ity kah, tezitra aho sady nianjona : - Indry kosa fetsy be ,hoy aho mody alain-dry daholo ny tsara fa na indry mihira amin'ny afo de paosy dia Pop in Germany ny andry na indry maka kifafa borosy dia Champs Elysée ny andry. Dia manaiky moa izy fa aleony hono ho azy ihany ny afo de paosy dia  Pop in Germany moa ny ahy Champs Elysée , atahorany mantsy fa sao dia tsy hitehaka aho na hangataka bis rehefa anjarany ny mihira.
Dia raikitra ny fampisehoana : izaho aloha no mpijery voalohany , dia mivoaka avy any ambony fandriana any ilay mpihira, sokafiny ilay rideau, dia midina moramora avy any ambony fandriana any izy sady mihira no mandeha mandra-pahatongany ery amin'ny fitaratra.Dia mifandimby miditra an-tsehatra sy mandihindihy eo anoloan'ny fitaratra eo izahay roa vavy, dia rehefa vita dia asiana tehaka mirefodrefotra na bis, indraindray rehefa tsy tiako ny hira ataony dia asaiko averiny ny vola, dia ovainy haingana ilay hira na efa lazainy mialoha fa io hira io no hataony fa asiany ballet miaraka aminy.Mandeha eo daholo ny : point de vue de face Babylon (tsy izany angaha moa ny tonon'iny hiran'i Boney M iny?) na oay lelikamaty e! Bononosy ( Boney M) koa io , isan'ny tianay koa ny hiran'i Henri Ratsimbazafy tamin'izany, hirainay amin'izay tonony sy fihetsika itiavanay azy eo daholo na hira teny gasy na teny vahiny : ny En rouge et noir lalalala an'i Jeanne Mas, na koa ny Ho aiza e! ho aiza e! Ilay mahantra izay tsy mba faly amin'ny fiainana...dia eo mandra- pahaleo, leo rehefa manomboka tsy mitehaka intsony ny mpijery, sady efa manomboka mifampikizintinjitina fa misy mibahan-tsehatra be ilaozany mijery bika amin'ny fitaratra fotsiny.
Sady andao amin'izay isika hivoaka fa sao tonga eo ry dada sy neny ka ataony mirehitra eto isika.Sa ianao mbola te-hijery? Andao hifindra toerana ary e!
Andao indray ianao ho entiko miaraka amin'ny namako any ambanivohitra any amin-dry bebe.
Hira gasy hira gasy any amin-dry bebe indray ity, lasa alainay ny akanjon'i bebe fa mila akanjo mirebareba tsara, izy moa tsy dia sarotiny, dia hosorana tany ravo ny tarehy fa mba manao pôdra hono izany, ny rantsan-tanana moa efa nofenoina ranomainty menamena na maitso ho solon'ny vernis, lisaka mihitsy ny stylos anaovanay azy ,efa ho 10 mianadahy kely izahay no miaraka milalao eo, ny lehilahy mpidoboka amponga sy langoraona ary mpikabary, ny vehivavy mpihira. Anisan'izany hira ny Fantsika bilan'ilay mpandrafitra (tsy fantatrao izany hira izany fa ampianariko anao rehefa anona), dia misy hoe koa :
afera vitan'ny anamamy ho'a afera vitan'ny anamamy,
dia milamina fotsiny isika,
 izany hono no izy rey olona o!
tsy maintsy mandresy ny tolona.
Bedy rehefa mihira ny  Afindrafindrao fa hafa be ny tonon'ilay anay ohatr'ohatry ny hoe :
tiralilalila lila
Zanak'i dada Paoly mitomany e!
Nitondra kapoaka kely ka na...
Azonao an-tsaina ny tohiny ka nahabedy anay foana, dia atao ihany moa na bedy aza ka tsy hihira Afindrafindrao izany dia inona fotsiny no maha fety azy?
Dia mitohy hafa koa ny hira sady raikitra ny dihy soroka sy ny vela-tanana sady mandihy amin'ny fo iray manontolo mihitsy an! sady tsy mahay no tsy menatra.
Dia ny zana-kira hoe:
Raha manina ahy ianareo e!
Dia ny masoandro jereo
Fa ny fiainana sompatra loatra
Raha toa tsy tafahaona
Dia manao rendez-vous any an-koatra...
Ankoatran'io hira gasy io dia misy ny fampitaha, fa io indray ifaninanana amin'ny ankizy avy any amin'ny tanàna na fokontany hafa, io fampitaha io dia hirahira mifangaro no ifaninanana ao dia miaraka amin'ny dihy sy ny haingo. Mafotaka mihitsy ny fitondràna ny akanjo fitondra mivavaka mitsaitsaika amin'io : miera aloha hoe hilalao ary ananona, dia anontanian'ny olon-dehibe hoe iza avy ianareo no ho any? (lavidavitry ny tanàna mantsy io toerana io) dia izahay sy ry kala anona sy ry kala anona, mandehana ary dia tsy hariva be vao mody. Dia misasa haingana dia atao anaty harona selôfanina ilay akanjo fitondra fa bedy raha vao tratra dia miridana ohatry ny tsy teo.Lasa amin'izay ny karazana vakisôva sy ny dihy isan-karazany . Bedy foana izahay roa vavy rehefa miaraka amin'ny mpanao vakisaova nefa mba tena tianay ery dia miafina foana izahay miaraka amin-dry zareo ireto, jiolahimboto hono ireny nefa tsy hitako izay maha-jiolahimboto azy.
Atomboka amin'ny tehaka sy kabôsy fotsiny aloha : sady manao hoe "tehaka fotsiny aloha, tehaka fotsiny aloha" dia lasa amin'izay ny hira be dia be fa adinoko ny ankamaroany, fa ity no tsaroako fa nahabedy anay foana nefa mba isan'ny tiako ery :
ia!ia! ia! ô ô(2X)
Fatin'alika ao anaty dalle nama a!aa!
Nataon'ny zalahy laoka tamin'ny alina nama aaaa!
ia! ia! ia !ôôôô ie!
Fa ny loza dia rehefa misy olona be resaka mitantara any amin'i neny hoe hay ny zanak'i madama mahay mandihy be ery , nahazo voalohany any zareo tamin'ny saova sady tsara ery ilay akanjo nanaovany tany no sady tantarainy amin'ny antsipiriany eo ilay didiny , sahala amin'ireny hoe nisy nanontany azy ery teo . Sanganehana fotsiny neninay avy eo antsoiny izahay roa vavy : "F'angaha entinareo milalao sy manao fampitaha any ny akanjonareo?" Tsy efa nilazàko moa ianareo tsy hiaraka amin'ireny ankizy mpanao sôva sy firingan'olona rehetra ireny? priàaa, tehamaina be mirefotra no azo. F'angaha mety fay? Vao hoe misy saova ka misy hirika handehanana dia lasa foana izao!!! Izaho tamin'ny kely dia voasazy sy voakapoka lava mihitsy. Ho tantaraiko anao koa izay nefa tsy fanahy iniako akory ange nefa dia mafy loha sy be ditra hono aho tamin'izany.
Amin'ny maha-ankizy anay tamin'izany moa dia taomin'ny ankizy handeha hiandry faty aza izahay mba naniry ery fa tsy avelan-dry dada sy neny mihitsy, nefa toa nahafinaritra ery ny fahenoana ny fitantaran'ny ankizy azy avy any.
Fa tsy nanana sary ho'a tamin'ity indray mitoraka ity fa alaivo ara-keviny eo dia ho hitanao eo. Mbola ho resahiko zavatra hafa ianao fa andraso aoriana kely.
 
Powered by LifeType - Design by BalearWeb