MIAKARA DAHOLO ANY ANATY FIARA O!
kally | 22 Jiona, 2006 17:06
Manomboka eto dia hanomboka ny fitetezam-paritra.Ka avia haingana ry Hery, ry Vale ...sy izay mazoto handeha rehetra : miakara haingana fa lasa indray izao!
Polson : Tanàna faharoa hatoriana : Inty eto misy farihy tsara tarehy be "The Flathead Lake" , - Flathead, raha tsy diso aho dia anarana foko Indianina amin'ity toerana ity io - raha vao nahita an'ity farihy tsara tarehy be ity dia tapaka ny hevitra fa hijanona eto aloha androany sady efa tolatolaka koa ny andro vao tonga teto fa nilaozana nikirimba tao Missoula.
Rehefa manapa-kevitra ny hijanona ohatr'izao moa dia mazava ho azy fa ny tany hatoriana aloha no tadiavina voalohany, Bayview Inn no akaiky sy nanamorona an'io farihy io, nisy an'ilay KwaTaqNuk koa tsy lavitra an'io fa izay hijanona indray alina ve dia handaniana vola be sady tsy ratsy ilay Bayview Inn satria ny efitra hisy antsika mifanolotra amin'ity farihy ity, eo am-baravarankely dia mahatazana ny farihy iray manontolo.
Hatreto ary dia rano, tendrombohitra, farihy, ala, mahafinaritra be foana no ho tetezintsika.Sarotra ihany ny mitantara ny hatsarany, ny tena marina kanjo tsy haiko ny mitantara azy sady izany ve moa ilaina ho tantaraina fa ianao aza miaraka amiko eto koa! ..Fa tena tsara, mahatsiaro ho tsinontsinona mihitsy ny olombelona manoloana ny hatsaran'ny zavaboaharin'Andriamanitra., hamakivaky ny Glacier National Park isika, dia hijery farihy, ala, tendrombohitra , biby dia (sa bibidia?) , impiry matory moa vao vita ny famakivakiana ny Glacier National Park? Iza no nandany andro nanisa an'izany fa ny saina aza efa feno sary, rehefa malalaka dia alahatra an'eritreritra ireo sary ireo dia zaraina ohatr'izao androany izao.Dia mba samy manana kely avy isika, sô ianao tsy tia?
Inona ny sakafo hariva? Izay tiantsika ihany : somary manavia ihany koa mantsy ny mandeha any amin'ny trano fisakafoanan-dry zareo noho ity Tip tip ity - vola amboniny omenao ny mpandroso sakafo io, ka ny manahirana dia tsy fantatro tsara loatra hoe ohatrinona marina moa no omena 10% sa 15%, sadaikadaikatra eo ny tena ka aleo ihany mihinana eny amin'ny sisiny sady angaha moa ratsy koa ny sakafo eny amin'ny sisiny ! Ilay eny amin'ny sisiny lazaiko eto mandeha any amin'ny supermarket dia feno sakafo any : na ny efa vita karakara toy ny karazana salady isan-karazany (tsy ravi-maitso ihany akory ny salady), na akoho nendasina , na hena masaka na izay tiana e! raha mazoto hampiasa microwave (satria saika misy daholo ny hotely rehetra aty) dia maka sakafo nampandriana (mba teny gasy mazava ve izany lehiretsy?)azonareo ny tiako ho lazaina an!
Inona anefa ny teo fa vao avy nividy sakafo sy nanala ny entana avy ao anaty fiara sy naka sary vitsivitsy dia ny torimasoko no natrehiko, izay tanàna ve nisy hitako akory. Saingy tsy nisy fatiantoka na izany aza, rahampitso manaraina.
Ny maraina aho vao mba nandinindinika ny manodidina teo: fahanginana, goavana be izay itodihana rehetra, fahatsaràna : izay no tsapa sy hita rehefa mipetrapetraka eo amorom-parihy eo. Nohanina haingana ny sakafo maraina avy eo dia nijery izay tany haleha manaraka indray fa haninona hijanona haninona ela eto moa? Handehandeha no aleha aty ka ilaozana hitogaigy eto ve?
Asa raha tsikaritrao fa isan'ny manaitra maha samy hafa ny amerikanina amin-dry zareo eropeanina : zareo tia miresaka sy mandray olona kokoa- ny faritry ny Rocky Mountains iny aloha no resahiko fa iny no hitako- efa midadasika be iny- vao maraina mifanena ao amin'ny hotely dia samy mifampitsikitsiky : "how are you guys" hoy ny fiarahaban-dry zareo.Zavatra tsy hitako mihitsy io any amin'ny hotely eropeanina fa samy maka ho azy sy mifampijerijery fotsiny, tahaky ny olona nivoaka avy any amin'ny planeta hafa no fijerin'ny ankamaroan'ny olona anao raha sendra miarahaba ianao, tsy hoe manaratsy ny eropeanina aho sanatria fa ny tiako lazaina hoe mangatsiatsiaka kokoa zareo eropeanina mihoatra amin-dry zareo amerikanina, tsy hatao faobe koa anefa na izany aza zavatra tena nanaitra ahy io.
Migodàna be ny lalana rehetra aty , mandritry ny 300-400 km indraindray isika irery no eny an-dalana eny , mahafinaritra be ny mijery ny camion be amerikanina, mangirana sy manjelatra mamirapiratra be sady matanjaka be, mitrerona be avy any aoriana any izy, tsara tarehy!!!
Ngeza be daholo izay zavatra rehetra jeren'ny maso : ny lanitra manga be sady ngeza be , ny tendrombohitra avo be, jereo ao amin'ny tahirin-tsary ao, ny farihy be dia be sady ngeza be , ny ala tsy hitan'avanavana, dia ohatr'izay koa ny anaty trano : fandriana ngeza be, seza ngeza be, ny fiarakodia ngeza be daholo, tahaky ny kilalao kely io fiara mavo be io mihoatra amin'ny fiara entin-dry zareo andavanandro.Fa zareo kosa ho'a somary hafahafa fitondra fiara ny ankamaroany tsy mitana lalana tsara SAINGY mahalala fomba be zareo eny an-dalana.
Ary ny tranon-dry zareo dia trano hazo daholo, lavitra ny building mijoalajoalan'i New York aty : ivaiva kely daholo ny trano tsy midika anefa izany hoe kely an!Saingy rehefa tafiditra ao anatiny ianao dia adinonao tanteraka hoe trano hazo anie ity trano ity.Tsy dia manao zaridaina loatra ry zareo fa asiany bozaka maitso fotsiny, dia mampihomehy ahy fa na zaridaina kely iny aza dia masinina be iray manontolo no manapaka ny bozaka eo.
Ary ny zavatra tsikaritro dia ny resaka fikarakarana vatana dia mangala - tahaka ny eropeanina zareo, rehefa te haneho izy fa tsara ny savoniny dia lazainy fa vita amin'ny fomba eropeanina.Dia mifangalangala-tahaka eo nefa milaza tsy mifankatia, tsy misy maharatsy an'izany kah! Mba tsetsatsetsa tsy aritra iny.
Dia avy eo Polson, dia hatory ao Whitefish, hamonjy ny vavahady miditra mankao Glacier National Park avy aty andrefana .
Rehefa ao Glacier Park dia hilalao rano eo Mac Donald Lake , mitsangatsangana any anaty ala any, tandremo mifanena amin'ny ours fa masiaka ireny ka ho sahirana any, hitsoaka hihazakazaka, izy mahery mandeha lavitra noho ianao, hiani-kazo hihomehezany fotsiny (asa raha mba tia mihomehy izy ireny ) fa izy aza kinga lavitra noho ianao. Ny hany atao hono raha mifanena aminy dia mitampify mivonkona kely arak'izay tratranao dia asa rangorangotiny sy avadibadiny eo angamba ianao, aza hitako anie izany, mba efa hitanao moa ny halavan'ny hohon'ny ours ?
Be biby be mifanena amintsika eny an-dalana eny : Ny mountain goat karazan'osy fotsy be io amin'ny sary io, tsara tarehy be, tsy izaho no naka an'io sary io , nybisons karazana omby dia kimonjomonjo lava izay zareo raha jerena asa na inona no nahatezitra azy tany , dia ny Elans, be sofina sy lava tongotra be, avo be mihitsy ny tongony iny azony loza loatra manko zareo itony raha hirobo-drano, ny coyottes tazana lavitra fotsiny, mahafinaritra ery rehefa sendra any anaty hazo eny mifanena amin-dry zareo , ny ours ihany no tsy tiako hifanena loatra na dia mba naniry ny hahita aza aho sady mivavaka ihany ny tsy hifanena aminy ka dia tsy nahita moa ny niafaràny.
Mbola lava be ny dia satria 12 000km ny totalin'ny dia vita tamin'ity miampy ireo fitsidihana an'i Yellowstone sy Grand Teton Park ao Wyoming, ny fandehandehanana nitsidika ny tanàna nilevenan'i Ernest Hemingway any Sunvalley -Idaho. Fa toa lava be izy izany kah! tohizo an-tsaina eo aloha fa hiresaka zavatra hafa indray aho fa kamo be aho izany hitantara indray!!! 'zafady.
AVIA IZAY HIARAKA AMIKO!
kally | 10 Jiona, 2006 13:28
Hanaraka ahy ianao?
Andao isika sy ianao handeha an'eritreritra ho any lavitra be e! mba manofinofy hoe mandeha hono izany isika, mandeha kilaidainga. Kilaidainga tena izy.Efa hitanao moa ilay sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe "L'homme qui murmurait à l'oreille des chevaux" sy "Et au milieu coule une rivière", raha tadidinao dia toerana mahafinaritra tokoa no hita ao anatin'ireo sarimihetsika ireo, nanintona ahy mba ho any, Montana no anaran'ilay tany misy an'ireny toerana tsara ireny. Any no hitondràko anao kilaidainga an'eritreritra.
Hanainga aminn'y 10 ora maraina ny fiaramanidina handehanantsika dia ho tonga any amin'ny 12 atoandro mahery kely eo.An!an! tsy adiny roa izany fotsiny kah! adiny 8 mahery isika ho eny ambony eny foana, adinonao ny nikaonty ny elan'elan'ora .Ny lanitr'i Belfast no hisidinantsika voalohany dia mikisaka mankany mankany ny fiaramanidina mandra-pahatonga any Newark- New York.Somary mandreraka ihany rehefa tonga aoamin'ny seranam-piaramanidin'i Newark: ny tena efa vizaky ny fisidinana naharitra adiny 8 mahery mbola mihazakazaka maka entana, manomboka pasipaoro ,ets mbola maika hamonjy ny fiaramanidina aminn'y 5 ora ho any Minneapolis indray manko .Marina fa misy tany hijanonana kely ihany fa inona moa no hitanao sy ho jerenao ao anaty seranam-piaramanidina?Fahasorenana no betsaka dia mijerijery ireo fivarotana ao anaty seranana fotsiny. Amin'ny 5 ora lasa indray mandray ny fiaramanidina faharoa ,mbola manidina adiny telo indray isika vao tonga any St-Paul Minneapolis.
Tonga any isika amin'ny valo latsaka fahefany ,dia mbola haka ny fiaramanidina farany hitondra antsika ho any Missoula izay vao tonga, soa ihany fa manaraka ho azy ny entana fa tsy mila raharahiana loatra intsony.Ao Minneapolis isika aloha somary sorisorena ao an-tseranana miandry ny fiaramanidina manaraka hiala amin'ny 10 alina eo ho eo, soa ihany fa tsy dia miandry ela loatra fa adiny roa fotsiny sady ohatry ny mba vetivety ihany dia lasa ny fotoana.Na dia vizana aza ohatry ny tsy dia mety matory, dia sorisorena mihodinkodina eo fotsiny.
Hanidina kely mandritry ny adin'ny telo eo ho eo indray isika dia ho tongaaaa! izay vao hanomboka ny zavatra mahafinaritra.Raha totaliana izany dia nahatratra 21 ora sy 38 minitra ny dia.
Efa misasak'alina va tafavoaka ny seranam-piaramanidin'i Missoula, tanàn'ny mpanoratra hono izy io. Vao avy maka ny entana isika dia lasa miantso ny hotely haka antsika,fa ny tanàna tsy mbola naleha sady tsy fantatra, manahirana ny hitady lalana alina fa rahampitso vao haka fiarakodia.
Nahoana no i Missoula no nosafidianana hoy ianao?Kisendrasendra fotsiny, io no isan'ny seranana manakaiky ny Glacier Park dia izay no nalaina, talohan'ny famandrihana tapakila tsy fantatro akory ny fisian'ity tanàna ity.
Wingate Inn no hotely hitako akaiky ny seranam-piaramanidina indrindra ao Missoula sady mba afaka mitsena antsika.Tsara kokoa raha fandriahana mialoha io hotely voalohany io, iza no mahalala sao tsy hahita tany hatoriana eo .Faly ery fa tonga ,adino ny havizanana !!!
Ny maraina aloha milomano sy milalao rano kely ao amin'ny hotely dia avy eo misakafo : donuts sy muffins ary céréales no sakafo maraina, eo am-pisakafoanana maraina no mijerijery ny sarintany mandinika izay lalana mety haleha ny androtr'io.
Vao avy misakafo dia mandamina ny entana dia mandao ny hotely, zareo ihany no manatitra eny an-tseranam-piaramanidina, tsy hoe handeha fiaramanidina indray fa any no maka ny fiarakodia handehandehanantsika kah! Nihomehy anakampo aho nahita an'ity fiarakodia , toa chevrolet mavo adala be ity izy, vao lavitra dia tazana. Izany hoe mahafinaritra ihany aloha sady tsy dia nampaninona ahy ilay lokony mavo adala sady izao mora hita rehefa mba mijanona eny amin'ny parking.Tsy mila mitady ela fa vao mivoaka dia io izy tazana izy irery no mavo adala be eo.
Manga be ny lanitra, tsara be ny andro tsy mahagaga "Big Sky Country" no misy antsika : Montana.
Aza adino fa ny feu rouge aty tsy eo amin'ny sampanana ijanonanao no misy azy fa ery am-pita.Ka sao varimbariana!
Hihodina kely vetivety ao Missoula aloha isika, mazava ho azy fa ho tsidihintsika koa ny toeram-pivarotana.Mandeha any Southgate mall aloha isika hijery vorodamba sy izay mba mahafinaritra antsika, ny tena tiako kanjo ny jeans tsy misasa any amin'ny JC Penney.Moramora kokoa ny vidin-javatra amin'ny magazay aty.
Dia rehefa avy eo isika hijery hoe aiza ho aiza no haleha manaraka.Ny sakafo atoandro mihinana eny am-panidinana eny sady mbola malain-komana be koa moa fa angamba tampohin'ny miova tany sy toetr'andro ary ny havizanana koa etsy andaniny.
Tsy hamandrika hotely mialoha izany isika ankoatry ny hotely voalohany fa izay toerana mahafinaritra no ijanonana.Dia raha mbola tianao dia ho entiko manaraka ahy foana ianao.Sa vizaka ianao? leo?
Handeha hi-voaiazy!
kally | 01 Jiona, 2006 09:53
- Rôpilanina galery, tsofin'ny rivotra dia mikodia. Voromailala misidina ambony, nankaiza i Malala no tsy hitako intsony?
Iny e! iny e! laaaasaaa!
Antsoantso fanaoko io raha vao misy rôpilanina mandalo any ivelany any. ka na aiza na aiza aho dia lasa miridana mivoaka mijery rôpilanina mandra-pahadifiny.
Firy taona ary re aho tamin'io e?Latsaky ny efatra aloha satria tsy mbola nalefa nianatra aho fa mbola nijanona tao an-trano.
Dia lasa ny saiko hoe ho aiza ary iny dia iza avy ny ao anatiny?? Dia nanontaniako i Neny : fa iza ry neny no mitaingina an'iny rôpilanina iny? Dia hoy i Neny hoe : olona mi-voyage e! - F'inona izany mi-voyage ry neny? Mitondra valizy feno akanjo dia mandeha any lavitra be ee! hoy i neny.Izaho koa izany ry neny mba te hi-voaiazy dia hitondra valizy dia handeha any lavitra be!!!
Nony nanakaiky ny faha-dimy taonako teo aho dia nalefan'i Neny hi-"voiazy" tokoa aho, fialan-tsasatro irery tsy misy an'i dada sy i neny voalohany io satria namarana ny maternelle io, nifindra T1 dia halefa any amin'i bebe hono.Nanampy an'i neny namboatra ny valizy aho : ireto ny akanjon-dry ho entina miantsena, ireto ho entina mivavaka, ireto akanjo fitenaina, dia tandremo tenaina ny akanjo fitondra mivoaka, misasa vao matory, vao mifoha dia misasa tarehy sy mihogo volo fa tsy miridana ohatry ny soavaly tapa-kofehy, ets ets.Toa fantatr'i neny fa ireo mihitsy no hataoko rehefa any aho.
Naterin'i neny vao maraina be teny @ garan'Antsirabe izahay sy ny zokiko lahy (7 taona),nitsoka be ny rivotra vao maraina teny ambony posy, handeha masinina miala amin'ny dimy angaha moa izy izay sa amin'ny enina latsaka fahefany?Dia hoy izy hoe tsy ilaozana matory rehefa any anaty masinina fa vakiana tsara ny anaran'ny gara dia asaina ampidinin'ny olon-dehibe ny entana, lahasan'ny zokiko io mijery ny anaran'ny gara io fa izaho mpanaitra azy raha sendra matory izy :Antsirabe-Andranomanelatra-Sambaina-Antanifotsy-Ampitatafika-Ambohimandroso-Ambatolampy-Behenjy ( mba marina ve izany fitanisàko azy izany sa nisy adinoko ry reto?) ets.Tonga!!! Alefa aminn'y borety mankany an-tsena ny entana dia izahay manaraka avy ato aoriana misisika be any anaty olona any. Misisika tokoa eny an-tsena ka isaky ny avy mihinana tantely izahay dia fafanay amin'ny bodofotsin'olona ny tananay (shhh! aza mitsaratsara ahy eo re ianao e!).Rehefa avy mihodina eran'ny tsena sy avy namely vary mitsangana misy ron-kenan-kisoa na mihinana mofo menakely dia lasa manenjika car brousse saviem-renault super goelette ireny,tena mba nofinofiko ny hitaingina "devant" tamin'izany fa tsy mahazo fa izaho mantsy mbola tsy feno taona hono ka tsy mandoa saran-dalana dia mitsangana ary aoriana, halako ery.Tamin'io fotoana io tsy haiko na ohatrinona ny saran-dalana fa ary zato ny saran-dalana tadidiko farany , izao toa efa dimanjato angamba.
Fenoy io aloha io fa mbola tsy feno e! hoy ilay edisôfera:enin'enina ny seza hoy izy,ingao ny tongotra ô hoy indray izy rehefa hanisika sobika any ambany sezanao any izy. Ny tena tsy laitrako ilay mitsiritsirika eo am-baravarankely, mba hakahaka rivotra dia misy mandrora paraky any aloha any tsofin'ny rivotra mankany aoriana ggay! (aza marikivy be ohatran'io moa ianao eo am-pamakiana e!), na nilatsahan'ny ranon-kisoa hoy zareo izay : manko ny kisoa ao ambony tafo ao ka poritra ary izy tsy ampidinina, aza mba sendrany ihany eny an-dohan'izay mahery mitsiritsirika daholo.
Ah! lehiretsy, fahafinaretana ery izany rehetra izany an! tsy ilay nipitihan'ny roram-paraky na nanditsahan'ny kisoa akory no lazaiko fa ilay mi-voaiazy kah!
Amin'izao aloha efa tsy iray intsony ny kara borosy mankany fa efa misy 404 bâché koa,fa ity kosa tena mamovoka be tsy laitra, ohatry ny tsangan'olona vita tany mena ianao mivoaka avy ao.Aza mankany amin'ny bebenay aloha raha olona tsy tia vovoka sy matahotahotry ny haloto fa eo no raisina e!
Hay ve izao izany mandeha voaiazy hoy aho anakampo.
Eto aho mahatsiaro manokana ny namana Mirana omeko kopa-tanana lasa nandeha ni -voiazy , soava dia e!
Tafandria mandry...!
kally | 21 Mey, 2006 16:18
Mbola tsy ora fatoriana izao saingy mody be resaka eto aho sady manararaotra mampiditra sary ihany.Fa asa ho'aho ianao raha mba mitovy amiko fa izaho be torimaso be sady tia matory be.Kamo vavy ve izany hoy ianao? Izaho anie mba mihetsiketsika sy miasa sy manao raharaha ihany fa mora matory kely fotsiny e!
Vao mijanona mihetsika aho dia lasa izao, renoka.Raha mba izaho moa no antenaina hanoro lalana rehefa any anaty tômôbilina dia indrisy!!! 80km ihany raha ela dia renoka aho.Raha te hahita tory ianaodia misotroa ronono natao be tantely ny hariva dia ao tsara.Andramo aloha fa izany hono, izaho moa efa io lazaiko anao io ka tsy mahalala na mandaitra izany na tsia.
Fa izao e! jereo ao @ tahirin-tsary ao fa hahita ny sarin'ny fandriana vitsivitsy nahitako tory ianao fa ireto tantaraiko tsy nisy sary ve koh! nefa ireo no tena manja raha nisy sary a! mety tapaka angamba ny tsinainao raha mba nizaràko ny sarin'ireto tantaraiko ireto.
Niezaka nitady ny sarin'ny tsy fandriana koa aho : ny seza, ny tsihy,ny bozaka, anisany daholo izany. Ny tena nafaitra tamiko aloha dia indray alina tany Anjepy, natory teo @ bozaka (alina ho'a a!) ny moka mamely be tsy nisy bodofotsy, tohatra vato no natao ondana.An!an, diso ny eritreritrao fa tsy mamo aho kah! izaho angaha moa misotro zava-mahamamo izany, fa bal n'ny mpianatra io rehefa avy nitsangatsangana ,dia izaho reraky ny fandihizana ny atoandro , ny alina aho te hatory nefa mitabataba be ao amin'ilay trano nandihizana ,dia lasa nivoaka nitady tany hatoriana nefa tsy nahita afa-tsy bozaka.Dia tadidiko koa rehefa avy namonjy bal rehefa famadihana dia tsy misy hatoriana intsony dia maka dabilio dia amboarina tsara ny akanjo dia ao!! tsy mikofokofoka fa raha tsy izany mianjera ,matory eo an-tokotany ihany io.
Dia fanaonay koa indraindray rehefa any Antsirabe mba mandeha mivoaka mandihy (izaho aloha dia tsy tana mihitsy raha vao misy fandihizana fa aza gaga ianao e!), dia rehefa mody maraina dia lasa avy dia mankany Andranomafana hilomano. Efa novatsiana any anaty paosy sy pôketra any moa ny maillots amin'izany fa tsy miverina mody izany.Dia indraindray raiki-tory fa mahazo aina be ao anaty ranomafana ao sady ny etona koa tsy ifankahitana lavitra loatra.
Fa ny tena tsy laitrako tany akaikin'i Moramanga,natory ambony tsihy sady be parasy be no reraka avy nandeha 20km an-tongotra no zara raha nisakafo fa narary ny lamosiko sady nataon'ny parasy nirehitra mihitsy aho tamin'izay.
Isan'ny tena tiako rehefa miara-manao lapa be amin'ny fianakaviana, enina, fito, valo vavy be izao izahay indraindray ampidinina ny kidoro dia manoko resaka eo aloha mandra-patory , ny sasany mitantara ny nifankahitan'izy sy ny sipany, ny sasany mitantara ny adiny tamin'ny namany, ny sasany miresaka paozy mba tena reviny sy iriny, dia raikitra misy be resaka be nefa izaho efa te-hatory be dia manaiky be fahatany izay tantarainy fotsiny aho, kanjo anontaniany tampoka dia ie ihany ny valiny nefa ny fanontaniany hono hoe inona ary no nolazaiko farany teo, dia ady aloha iny hoe izaho hono tsy mihaino izay mba tantarainy, dia araraotiko ny torimasoko no atrehiko: ny sasany be saron-doha be dia mipitika ery mandra-patory ( tonga dia kôpy izy raha manketo), ny sasany misinton-damba be, ny sasany mitsipa-damba, ny sasany ny tongony mangatsiaka be iny ataony ety ambony kibonao, ets.Tsy ho tantaraiko anao eto daholo kosa ny fomba fatorinay mianakavy e! hihihi
Kay, mampatory be koa izany resako zany.......zzzzzzzz! Jereo ny sary raha mahaliana anao fa ho anao no nametrahako an'ireo.
Manao ahoana aloha e!
kally | 20 Mey, 2006 13:19
Mba nanana fotoana kely aho dia io rafitra namboatra blaogy io. Efa hatry ny omaly na afak'omaly akory aza izy ity no natomboko fa mangataka andro lava aho, kanjo tsy nisy nanome ahy!!!
Dia alohan'ny handehanako mamita raharaha androany dia raikitra eto aho, efa hatry ny aninkeheo aho io no niselontselona teto : isaky ny mahavita mandamina efitra anankiray aho dia ilaozako eto aloha. Dia lasa kely indray, dia io indray fa miverina....dia handeha kely indray aho, dia hiverina...Resahiko izay mahafinaritra ahy eto ianao.
Dia mety hoe ho monamonaina be ve ianao mamaky ny soratro ato?Asio mozika ao ambadimbadika ao dia mety tsy haninona, na raha tena hitanao fa fôpla be dia reveo manja ihany dia ho hitanao fa hilay ho azy, sa ahoana?
Inona moa no tena nahatonga ahy hanokatra azy ity e? Asa!!! aza raharahiana aloha izay antony fa misaotra namaky e!
Mifampizarazara izay mahafinaritra eto isika, na izay manirikiry koa, hifampizarazara sovenira, soa fa nisy ny internet ...hanaovako tantara valamaty eo ianao indraindray raha manaiky.Dia hitantarako zava-misy sy efa nisy koa , mety tantara itovizana amin'ny anao aza fa nitranga tamin'ny toerana sy fotoana samy hafa fotsiny.Hitantara zavatra niainako na tany nalehako mety mba halehanao sy hiainanao koa. Zavatra ohatr'ohatr'izany no tiako hatao eto ka inona indray moa e? Ie! ohatr'izay eritreretinao izay mihitsy koa izao no vao saika eritreritro.
Dia asiana sary hoy ianao?Eny tokoa, raha mety mifanena moa ny fotoana sy ny fahazotoana nahoana no tsy mba hasiantsika sary kely eny ananonanona eny?Izany hoe alaivo ara-keviny fotsiny aloha mandra-paha...Mety ho tazanao matetika aho indraindray, mety ela be koa vao ho ho hitanao indray.Tsy mmpaninona anao? Mazotoa ary dia misaotra nitsidika e!